• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana solombavambahoaka : Hamafisina ny fiambenana ny biraom-pifidianana

28/05/2024 16:22 © Moov

Hanatanteraka ny fanadatsaham-bato ho fifidianana izay ho solombavambahoaka ny malagasy rehetra manerana ny Nosy rahampitso 29 may.

Ho fitandroana ny fandriam-pahalemana dia hamafisina ny fiambenana ny biraom-pifidianana rehetra. Mandray anjara amin’izany avokoa ny prefektiora isaky ny distrika rehetra.

Biraom-pifidianana miisa 28 124

Miisa 28 124 ireo biraom-pifidianana rehetra manerana ny Nosy. Ho feno mpitandro filaminana avokoa ireo birao rehetra ireo mandritra ny andron’ny 29 mai io. Natao izany mba hitandroana ny filaminana rehetra sy mba ho fisorohana izay mety ho fihoaram-pefy mandritra ny androm-pifidianana. Izany no fanambarana avy amin’ny Tale jerenalin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police Danny Marius Rakotozanany androany maraina. Izany asa izany dia tsy maintsy napetraka mba hisian’ny filaminana. Niantso ny mpitandro filaminana ihany koa ity tompon’andraikitra ity mba ho mailo amin’izay mety ho ambana mety hiseho mahakasika izany korontana izany.

Fifanomezan-tanana

Asa iandraiketan’ny mpitandro filaminana, indrindra ny Polisy, ny fitandroana ny fandriam-pahalemana mandritra ity fifidianana ity. Etsy andaniny anefa dia miantso ny rehetra ireo Prefe manerana ny Nosy mba hiara-hiasa amin’izy ireo. « Raha vao misy ny korontana dia iangaviana samy handray andraikitra ny tsirairay hampandre haingana ny mpitandro filaminana. Tokony handray andraikitra avy hatrany ihany koa ny mpitantana ny birao hanome alalana malaky ny mpitandro filaminana », hoy ny Prefen’Antananarivo. Ankoatra izany anefa dia efa miara-miasa amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ireo « quartier mobile » rehetra ihany koa ny birao sasany », hoy hatrany izy tamin’ny fanazavana. Raha misy ny ilaina fanampiana manokana dia efa vonona ihany koa ary afaka antsoina amin’ny fotoana rehetra ny Emmo-Reg.
Hosavaina ireo olona mifamezivezy amin’ny alina
Zava-dehibe ny fiarovana ireo fitaovana sy birao rehetra amin’ny fifidianana. Araka izany dia hosavaina sy arahi-maso avokoa ireo olona mifamezivezy amin’ny alina rehetra. Mifanaraka amin’izany dia efa nivoaka ny naoty fa tsy misy toeram-pivarotana zava-pisotro mahamamo afaka misokatra rahampitso. Tsy mahazo miditra ny birao fandatsaham-bato ihany koa ireo olona mampiseho fihetsika fahamamoana mandritra ny andron’ny rahampitso.

Lire la suite

Articles Similaires