• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Vaovao

Fanatanjahantena – BAREA : Mihazo an’i Johannesburg ny delegasiona malagasy hiatrika ny fampivondronana

28/05/2024 16:07 © Moov

Andalam-panomanana ny lalao fifanintsanana ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny 2026 ny ekipam-pirenena malagasy BAREA amin’izao fotoana izao. Nanainga anio ho any Johannesburg Afrika Atsimo ny delegasiona malagasy hiatrika ny fampivondronana.

Mpilalao roa vaovao

Na dia efa anatin’ny fanomanana farany aza ireo ekipa dia misy fiovana tamin’ny ora farany. Tsy afaka hiatrika ny lalao izay hifanandrinana amin’ny Comores sy Mali i Romain Metanire noho ny ratra izay nahazo azy, sy i Tamby Noah Adecalom nohon’ny olana ara-taratasy. Araka izany dia voaantso hisolo azy ireo i Millimono Thierno Sy Andrianantenaina Angelo Andreas izay samy mpilalao avy any ivelany avokoa. Hihazo an’i Johannesburg anio ireo delegasiona ireo. Hanomanana sahady ny lalao izay hatao ny 7 jona izao hifanandrinana amin’ny Comores ary ny 11 jona izao kosa no hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena avy ao Mali izao dia izao. Tsara ny manamarika fa eo amin’ny laharana fahatelo ao anatin’ny vondrona misy azy taorian’ireo lalao izay natao ny volana novambra teo ny BAREA. Araka izany dia lalao lehibe ireto ho tanterahina ireto satria io no fotoana iray hahafahana mamantatra raha ho afaka hiatrika na tsia ny fiadiana ny amboara eran-tany ny ekipam-pirenena malagasy.

Nahazo fampitaovana vaovao

Ao anatin’ny fanomanana izany lalao izany dia nisitraka fampitaovana vaovao ihany koa ireto mpilalao malagasy ireto, raha ny fanambarana avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitrta (FMF). Nanambara ity farany fa manomboka izao dia hisalotra ny marika UMBRO ny ekipa nasionaly BAREA. Raha ny fantatra moa ity marika ity dia fanta-daza amin’ny fahaiza-manaony sy ny fanavaozana eo amin'ny sehatry ny fanatanjahantena. Manomboka izao dia hisitraka fitaovana sy fitafy anisan’ny tsara ireo mpilalao, mba ahafahan’izy ireo manatsara ny zava-bitany eny an-kianja. Marika britanika malaza misehatra manokana amin'ny fitaovana ara-panatanjahantena, indrindra ny baolina kitra ity UMBRO ity. Efa maro ireo mpilalao fanta-daza maneran-tany no misalotra izany amin’ny lalao iraisam-pirenena rehetra izay hataony.

Lire la suite

Articles Similaires