• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

CENI : Nahazo fiara 4x4 miisa 6, hanamora ny fanangonana ireo valim-pifidianana

28/05/2024 13:50 © Moov.Mg

Nahazo tohana avy amin’ny Fanjakana Japoney ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI) amin’ny fanamorana ireo asa atao manodidina ny fifidianana. Tonga nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho ampiasain’ity rafitra ity ny solon-tenan’ny masoivoho japoney eto amintsika.

Ho an’ny Faritany 6

Miisa 6 ireo fiara tsy mataho-dalana ireo, izay noraisin’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny fifidianana (CENI), Dama Arsène Andrianarisedo, tamin’ny fomba ôfisialy androany, natolotry ny mpiraki-draharahan’ny masoivoho Japoney miasa sy monina eto Madagasikara. Ny filohan’ny CENI indray avy eo no nanolotra ny lakile sy ny taratasin’ny fiara ho an’ireo filohan’ny Vaomieram-pirenena Misahana ny Fifidianana eny anivon’ny Faritany enina. Raha tsiahivina dia efa nanolotra fiara tsy mataho-dalana miisa 10 sy kodiaran-droa miisa 148 ho an’ny CENI ny Fanjakana Japoney tamin’ny taona 2023 ary efa nozaraina manerana ireo rantsamangaika eny anivon'ny Distrika 120 ireo kodiaran-droa ireo. Tafiditra tao anatin’ilay fanampiana 4,5 lavitrisa Ar, natolotr’i Japana nandritra ny fifidianana filoham-pirenena izany. Hanamora ny fanangonana ireo valim-pifidianana any amin’ireo toerana saro-dalana ireto fiara raitra ireto ary ho azon’ny CENI hampiasaina amin’ireo fifidianana ho avy manaraka.

Kara-pifidianana

Nandritra ity lanonana ity ihany koa no nilazan’ny filohan’ny CENI fa efa mipetrapetraka avokoa ny fanomanana rehetra, ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka hatrehina rahampitso. Isan’ny notsipihiny ny ezaka manokana nataon’ity vaomiera ity, tamin’ireo karazam-panofanana nomena ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny mpikambana amin’ny biraom-pifidianana, ny delegen’ny kandida ary ny mpanara-maso ny fifidianana. Etsy an-daniny, nilaza i Dama Arsène Andrianarisedo fa nanaovana ezaka ihany koa ny fizarana ny kara-pifidianana, saingy raha mbola misy tsy manana izany dia afaka manatona ireo tomponandraikitra eny anivon’ny birao fandatsaham-bato. Efa misy ny toromarika nomena ny mpikambana eny anivon’ireny birao fandatsaham-bato, hoy izy, mba hanamora ny famahana izany olana izany.

Lire la suite

Articles Similaires