• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

SIGE : Fitaovana hampahomby kokoa ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-tontolo iainana

24/05/2024 21:45 © Moov.Mg

Tsy azo atao ny mandray fanapahan-kevitra fahatany, manoloana ireo fanamby ara-tontolo iainana tsy maintsy atrehin’i Madagasikara sy izao tontolo izao ankehitriny. Izany indrindra no namolavolana ny SIGE, izay fitaovana nokendrena hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra miompana amin'ny tontolo iainana.

Manamafy ny haitondra

« Système d’Information pour la Gestion de l’Environnement » (SIGE) no iantsoana ity fitaovana ity, izay raha hazavaina tsotsotra dia tranonkala ahitana ireo antontan’isa sy angom-baovao mifandraika amin’ny tontolo iainana. Ny rohy http://www.e-voary.mg/sige/ no arahina, raha te hitsidika azy. Ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy no namolavola azy ity, niaraka tamin’ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana (PNUD) sy ny Tetikasa CCCD-Conventions de Rio. Ny Tahirim-bola ho an’ny Tontolo Iainana kosa no namatsy vola izany. Fitaovana entina manamafy ny haitondra ara-tontolo iainana sy hikirakirana ireo antontan’isa sy antontan-kevitra ara-tontolo iainana maro samihafa eto Madagasikara ny SIGE. Androany no nampahafantarana tamin'ny fomba ôfisialy ny momba ity fitaovana vaovao ity.

Angom-baovo marim-pototra

Be dia be ireo fanamby eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ka zava-dehibe ny fandraisana fanapahan-kevitra tena mifanaraka amin’ny zava-misy ary mifototra amin’ny singa tena mamaly ny filàn’ny eny ifotony, ny filàn’ireo mpisehatra ara-tontolo iainana ary ny fanamby eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy ny fanazavan-dRasamoelina Andry Fidiniaina Moïse, Sekretera Jeneraly eo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Miainga amin’ireo angom-baovao no hahafantarana ny tena zava-misy sy ny olana. Izany no maha-zava-dehibe ity fitaovana vaovao arifomba sy manara-penitra ity. Noho ny fisian’izy ity, dia hifototra amin’ny singa tena izy sy azo itokisana ny fanapahan-kevitra raisina momba ny tontolo iainana eto Madagasikara, manomboka eto, hoy hatrany izy. Ny sehatry ny fiovan’ny toetr’andro, ny ady amin’ny fihangazanan’ny tany ary ny fitantanana ny karazanjavamananaina no efa voarafitra ato anatin’ity « système d’information » ity ary hirosoana miandalana ny fampidirana ireo teboka lehibe ara-tontolo iainana ambiny.

Vaovao ara-potoana

Samy afaka mampiasa ity fitovana ity avokoa, na ireo teknisianina mpisehatra amin’ny tontolo iainana, na ny besinimaro te hahazo antontam-baovao, hoy ny fanazavan-dRazafimahefa Nantenaina Luciano, talen’ny serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mpisehatra maro no mamatsy ny antontam-baovao sy antontan’isa ao anatin’izany fitaovana izany ary ho ara-potoana (en temps réel) ny vaovao mivoaka ao, ka hampihena ireo fahadisoana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, araka ny nambarany. Naharitra roa taona teo ho eo ny fotona namolavolana ity fitaovana ity, izay heverina fa hitondra fiovana lehibe sy ho amin’ny tsara kokoa, ny fitantanana ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Lire la suite

Articles Similaires