• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chrd Nosy Varika
Image
Vaovao

Fahasalamana : Hamafisana ny tolotra ara-pahasalamana ifotony

24/05/2024 16:42 © Moov

Hanamafy ny fidinana ifotony ireo fikambanana tsy miankina maro mba hahafahan’ny olona eny ifotony misitraka am-pahalalahana ireo tolotra ara-pahasalamana rehetra. Handray anjara amin’izany ny fikambanana tsy miankina SAHA, ASOS ary ny CCOC.

Ao anatin’ny tetik’asa Sampan-draharaha Mahomby Soa ho an’ny Fahasalamana fototra na ny SMS fahasalamana izany dingana izany. Manatanteraka fihaonana eto Antananarivo ireo fikambanana sy mpiara-miasa ireo amin’izao mba hahafahana manatsara io tetik’asa io.

Olona sahirana

Ireo olona sahirana no tena hisitraka betsaka ity tetik’asa ity. Marihina fa raha ny fikarohana izay notanterahan’izy ireo dia ny 70% ny mponina sahirana sy mipetraka eny amin’ny ambany tanàna no tsy misitraka ara-dalàna ny tolotra ara-pahasalamana ifotony. Hamafisina sy ampiana ny fidianana ifotony hanamaivanana izay fahasahiranana izay, hoy ny fikambanana misehatra amin’ny tontolon’ny fahasalamana amin’ity tetik’asa ity. Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa SMS fahasalamana ity moa ireo fikambanana ireo sy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

Fiaraha-miasa maharitra

Ny tanjon’ity tetik’asa ity dia ny fomba hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony. Fiaraha-miasan’ny rehetra maharitra sy ny fiarahamiombon’antoka ary ny fandraisana andraikitry ny tsirairay no vahaolana. Ao anatin’izany ny olompirenena, ny ao amin’ny kaominina ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana. Ireo telo iroe no miara-miasa hanatsarana ny tolo-draharaha ara-pahasalamana ka izay indrindra no ilaina ny andraikiny tsirairay.

Mbola maro ireo olana

Efa maro ny ezaka efa nataon’ireo fikambanana ireo amin’ity tanjona ity. Etsy andaniny anefa dia mbola maro ihany koa ireo asa mbola mila tratrarina sy vitaina. Tafiditra ao anatin’izany ny fombz fampiasana ny « dotation CSB ». Ity farany ity izay fomba iray natao handrindrana ny toetam-pitsaboana na ara-pitaovana izany na ara-bola. Anisan’ny soso-kevitra naroso nandritra ity fihaonana ity ny tokony hanatsarana indray ireo fitaovana hampiasaina eny amin’ireny toeram-pitsaboana ireny. Marihina moa fa hevitra nivoaka tamin’ireo mpandray anjara rehetra. Ao anatin’izany ny Ben’ny Tanàna tamon’ireo kaominina niasana, ireo Chef CSB sy ireo mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires