• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vecteezy
Image
Vaovao

Fetin’ny Reny : Ny lamaody sy ny vokatra kosmetika no betsaka mpividy

24/05/2024 16:30 © Moov

Mbola tena mahazo laka tsara ny fetin’ny Reny eto amintsika. Ny fanolorana fanomezana ho an’ireo Reny no tena manamarika izany. Ireo lamaody sy vokatra kosmetika no tena mahaliana ny mpividy tamin’ity taona ity.

Vokatra kosmetika

Nahaliana ny olona taloha ny fitaovana ampiasaina ao an-tokantrano hatao fanomezana rehefa fetin’ny Reny. Tamin’ity taona ity dia nahitana fiovana izany raha nivadika ho nanjifa ny vokatra kosmetika indray ireo mpividy fanomezana, hoy ireo mpivarotra. Tafiditra ao anatin’izany ny ranomanitra, ny vokatra hatao amin’ny volo, ny lokomena sy ireo manjamaso sy ny maro hafa. " Efa miala amin'ilay mahazatra indray izao ny mpividy fanomezana. Nahalafo efatra amin'ny vokatra fanao amin'ny volo, "shampoing sy masque" aho androany. Na somary lafolafo kely aza satria vokatra natoraly dia mahaliana ny olona hatrany", hoy ity mpivarotra iray nandritra ny Tsenaben'ny Fetin'ny Reny teo Analakely. Mitovy amin'izany ihany koa ny fanjifana lamaody. Miakatra ny isan'ny mpividy raha oharina amin'ny tamin'ny herintaona. Efa mangatsiaka ny andro dia ireo akanjo mafana lamaody no tena be mpividy hoy hatrany ireo mpivarotra.

Entana lafo vidy

Rehefa fetin'ny Reny toy izao dia mahavatra ny olona ny mividy zavatra lafolafo. Tsy mbola niova izany tamin'ity taona ity na dia efa niakatra aza ny vidim-piainana. Mahavita mividy zavatra hatramin'ny 50.000 ariary ho an'ny Reny ny ankizy, na mbola ireo mpianatra aza. Ireo efa lehibe kosa mety mahatakatra hatramin'ny 300.000 ariary na mihoatra. Efa hiomanana efa ela rahateo ihany koa ity fotoana iray hanamarihana ny fitiavana ny Reny ity. Misy ireo efa nanangom-bola efa ela, misy ireo ny karamany mihitsy no alainy hividianany zavatra iray. Fotoana miavaka rahateo ity fotoana ity ka mieritreritra hatrany ny rehetra mba hanamarika izany araka izay vitany. Tena efa miparitaka maro manerana ny tsena ny zavatra rehetra azo atao fanomezana. Etsy andaniny dia samy manana izay mety aminy sy takatry ny fahefany ny tsirairay fa tsy hifanerena ny fividianana zavatra lafo. Misy ihany koa anefa ireo mpivarotra izay manao fihenam-bidy hanomezana fahafaham-po ny Reny.

Lire la suite

Articles Similaires