• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

METFP : Hanao izay hahafahan'ny tanora miasa avy hatrany

07/02/2024 10:08 © Moov

Tontosa omaly 6 febroary ny fihaonan'ny mpiara-miombona antoka tamin'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Tanjona amin'izany moa ny hahazoana fanohanana, entina hanohanana ny fanatsarana ny tontolon'ny fampianarana teknika sy ny fanofana arak’asa.

Fanamby sy ezaka goavana

Isan'ny olan’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny tsy fifanojoan'ny tolotr'asa sy ny fanofanana norantovina. Tsy mahavaly ny fepetra takin’ny orinasa matetika ny tanora vao nahavita fianarana, na manana diplaôma aza. Ankilany, simba tanteraka, tsy nisy fanamboarana, ny fotodrafitrasa eny anivon’ny sekoly. Mianatra amina trano tsy misy tafo ny mpianatra sasany. Sarotra ny iheverana ny fahombiazan'ny fampianarana amin’izany zava-misy izany.
Teboka dimy lehibe no navoitra tao anatin’izany :
1.Fanavaozana ny programa sy firafitry ny fampianara (Réforme curriculaire)
2.Fitarihana sy fampidirana amin’ny sehatry ny matihanina (orientation et insertion professionnelles
3.Fanavaozana ny fotodrafitrasa
4.Fametrahana toeram-piofanana ho an’ny daholobe sy toeram-pikotrehina matihaninana (incubation professionnelle)
5.Fitrandrahana ny tontolon’ny nomerika amin’ny alalan’ny MOOC (Massive Online Open Courses)
Marobe ireo mpiara-miombona antoka no efa naneho avy hatrany ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa, hitondra fanavaozana sy fanajarana ny sehatra ity.
Hitohy amin’ny fifampidinihana tsirairay amin’ireo mpiara-miombona antoka efa naneho ny fahavononany hifanome tanana izao fihaonana izao, mba hirosoana avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa mahomby.

Fanombohana nahafa-po

Vao nandray ny fitantanana ny Minisitra vaovao dia nanomboka avy hatrany ny fampiofanana. Anisan'ny tena nahasarika tanora maro ny fiofanana mikasika ny "Gestion d'appels entrants et sortants", natokana ho an'ireo te hiasa amin'ny "Call Center", izay notanterahina ny 26 janoary teto Antananarivo. Taorian'ny fahombiazan'izany lohahevitra izany, nisy ihany koa ny fampiofanana mikasika ny sehatr’asa mifandray amin’ny aterineto (métiers du web). Koa satria ezahina omena tombony avokoa ny tanora amin'ny sehatra rehetra, nahazo ny anjarany ihany koa ireo liana amin'ny famakiana vato sy fandrariana ary fametrahana rarivato tany Ambohidratrimo sy tany amin'ny faritra Vakinankaratra.
Tanjona voalohany ny hahafahan'ny tanora sy ny mpiofana miasa avy hatrany, mamelona ny fianakaviany. "Tsy amelantsika raha tsy mivadika ho asa ampidiranareo vola, hamelomanareo fianakaviana ny fiofanana", hoy ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak' asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Lire la suite

Articles Similaires