• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aboaho Ankiaka
Image
Vaovao

Antsiranana : Tanora mpisetrasetra miisa 9 nampidirina am-ponja

07/02/2024 09:31 © Moov

Mitohy hatrany ny fanaovan'ny mpitandro filaminana hazalambo ireo zaza tsy ampy taona mpisetrasetra sy mpanakorontana fiarahamonina. Mbola manohy ny fomba fanaon'ireo "Foroches" ihany ireto tra-tehaka ireto, ary manana anaram-bondrona mihitsy : Londres sy Texas.

Fanaovana herisetra‚ fanafihana eo amin’ny samy tanora‚ tora-bato sy ady ifandrombonana an’arabe no antony nisamborana ireto andian-jatovolahy 14 hatramin'ny 21 taona ireto. Ny alatsinainy 29 lasa teo mantsy, nifamono sy nifampitora-bato miaraka amin’ny antsy lavalela izy ireo, teo akaikina sekoly iray tao Ambalavola. Nisy moa ny fampitam-baovao nataon'ireo mponina teny amin'ny manodidina, ka nahafahan'ny polisy nandray andraikitra avy hatrany.
Niakatra fampanoavana ny Zoma 02 Febroary 2024 teo ireto zaza maditra ireto, ka nahiditra am-ponja vonjimaika.

Manentana hatrany ireo ray aman-dreny ny mpitandro ny filaminana mba hanaramaso sy hananatra tsara ny zanany, isorohana ny fanehoana fihetsika mahery sy mamoafady amin'ny manodidina.

Lire la suite

Articles Similaires