• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fampiasana aterineto : Tsy mahavita miaro tena amin’ny herisetra an’habaka ny ankamaroan’ny tanora

07/02/2024 10:08 © Moov.Mg

21 taona amin’ity taona ity ny nanamarihana ny « Safer Internet Day », na ny andro natokana ho an'ny fampiasana tsaratsara kokoa ny aterineto ho an'ny rehetra, izay afohezina ihany koe hoe : SID. Omaly 6 febroary no nanamarihana azy maneran-tany, ho an’ity taona 2024 ity.

Mampiasa aterineto amin'ny finday

Araka ny fanadihadiana navoakan'ny « We Are Social and Hootsuite » tamin'ny volana febroary 2021, dia olona 5,40 tapitrisa no mifandray amin'ny aterineto eto Madagasikara. Ny 95,2% amin'izy ireo dia mampiasa aterineto amin'ny alàlan'ny finday avokoa. Nisy ihany koa ny fanadihadiana nataon'ny ONG Youth First tamin'ny taona 2019, momba ny fampiasan’ny tanora malagasy ny aterineto. Hita tamin’izany fa ny 84,4%-n’ny tanora no efa niharan'ny herisetra an-tserasera avokoa, ka ny 77,93% amin’izy ireo dia tanora latsaky ny 18 taona. Ny ankamaroan'izy ireo anefa dia tsy mahalala akory ny fomba hiatrehana ny loza mety hateraky ny aterineto sy ny herisetra an’habaka, na ny olona tokony horesahina mikasika izany. Isan’ny maha-zava-dehibe ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fampiasana tsaratsara kokoa ny aterineto ho an'ny rehetra izany tranga izany.

Aterineto mahasoa

Mifototra amin’ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fampiasana ny aterineto, ny lohahevitry ny fanamarihana tamin’ity taona ity. Miantso ny firotsahan’ny mpampiasa aterineto rehetra, mba ho fiarovana ny tenany, ny hafa ary ny planeta, izany lohahevitra izany. Ny tanjona lehibe indrindra, amin'ny fanatanterahana ireo karazana hetsika mifandraika amin'ity fankalazana ity, dia ny hampahafantarana ny atao hoe : SID, araka ny nambaran’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), izay miezaka miaro ny zaza sy ny ankizy amin’ireo karazana herisetra an’habaka mety hahazo azy ireny. Tanjon’ny UNICEF, araka izany, ny hanentanana tanora betsaka araka izay azo atao, indrindra ireo izay latsaky ny 18 taona, mikasika ny fampiasana tsara sy azo antoka ny aterineto. Tsy fampahafantarana fotsiny anefa no atao amin’izany, fa fampianarana indrindra koa, mba hampiasana ny aterineto amin'ny fomba tsara sy azo antoka ary mahasoa ny ankizy sy ny tanora.

Lire la suite

Articles Similaires