• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Éric Mathieu
Image
Vaovao

Ala arovana Anjanaharibe sud sy Ambalarômba : Tsy handefitra amin’ireo mpitrandraka ny OMC

06/02/2024 16:46 © Moov.Mg

Manimba ireo faritr’ala arovana ao Anjanaharibe sud sy ao Ambalarômba ireo mpitrandraka vato kristaly tsy ara-dalàna, miditra an-tsokosoko ao amin’io faritra arovana io. Nanapa-kevitra ny handray fepetra momba izany ireo tomponandraikitra any an-toerana.

Handry fepetra henjana

Nanomboka tamin’ny volana desambra 2023 tany ho any no nahafantarana fa misy mpitrandraka vato an-tsokosoko ao anatin’ny faritr’ala arovana ao Anjanaharibe sud sy ao Ambalarômba, Distrikan'i Bealanana. Faritra roa, dia i SAVA sy i Sofia, no voakasik’ireto ala fady ireto. Noho izany indrindra dia niaraka nivory nandinika izay fepetra horaisina ho entina mamongotra izany fitrandrahana tsy ara-dalàna izany, ireo tomponandrakitra isan-tsokajiny avy amin’ireo Faritra roa ireo, tao anatin’ny fivoriambe niarahan’ireo « Organes mixtes de contrôle » (OMC) niraisam-paritra. Tany Andapa no nanatanterahana izany. Faritra arovana io, ka tsy maintsy ho esorina ny mpitrandraka, hofoanana ny fitrandrahana, ary ireo nanao ny heloka dia tsy maintsy handraisana fepetra mifanaraka amin’izany, hoy ny Goverinoran’ny Faritra Sofia, ny jeneraly Lylison René de Roland, izay isan’ny nitarika ny dinika.

Efa nisy voasambotra

Efa nisy maro ihany ireo voasambotra tamin’ity fitrandrahana tsy ara-dalàna ity, indrindra ny tao Anjanaharibe sud. Ny 19 janoary lasa teo, ohatra, dia andian-dehilahy miisa 17 no niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Antsohihy. Araka ny fampitam-baovao dia efa nandray ny andraikitra mifanandrify aminy ihany ny koa ny Madagascar National Park, izay miandraikitra ity Faritra arovana ity, saingy tsy nisy vokany izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny mpitandro ny filaminana, mba hamongorana ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna, saingy mbola misy foana ihany ireo manohy izany asa ratsy izany. Etsy an-daniny, efa nisy fivoriana matetika nataon’ny OMC SAVA sy Sofia nitsitokatokana, fa nitambatra nidinika izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity. Nanatrika izany ihany koa ireo tomponandraikitra misehatra amin’ny tontolo iainana avy amin’ny Faritra DIANA. Hatao fahazarana moa ny fikaonan-doha tahaka izao, mba hitondrana vahaolana iraisana. Araka izany, hisy ny fihaonana hotanterahina any Ambilobe amin’ny volana martsa izao.

Nampitandrina izay mbola mividy ny vato voatrandraka ao amin’ireo faritr’ala arovana sy mamporisika ny famotehana ny ala ny Goverinoran’ny Faritra Sofia, ka nilaza fa tsy handefitra amin’izany heloka bevava izany. Tsy maintsy arovana io ala fady io, hoy ny fehin-kevitra nivoaka taorian’ny fivoriana, satria harem-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires