• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ong Bel Avenir
Image
Vaovao

Fangatahana pasipaoro : Misy afaka manampy ireo tsy havanana amin’ny fikirakirana aterineto

06/02/2024 15:04 © Moov.Mg

Niasa nanomboka omaly ny fangalana fotoana amin’ny alalan’ny aterineto (rendez-vous en ligne), izay napetraky ny sampandraharaha miandraikitra ny fanaovana pasipaoro eo anivon’ny Polisim-pirenena Malagasy.

Fanafainganana ny asa

Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ity sampan-draharaha ity, sy ao anatin’ny ezaka fanafainganana ny asa tanterahiny, ny fampiasana ny aterineto, izay fitaovana afaka manamora ny fangalan’ny olom-pirenena pasipaoro. Tsotra ny fanaovana azy : miditra amin’ny rohin’ny tranonkalan’ny polisim-pirenena ary manaraka ny toromarika voalaza ao. Mizara roa izany fangatahana izany. Voalohany dia ny fangatahana tsotra, izay fangalana fotoana (rendez-vous) fotsiny, ka ny teknisianina eo anivon’ny sampandraharahan’ny pasipaoro avy eo no manome ny ora handraisana ilay mpangataka. Rehefa mahazo iny ora iny dia tonga amin’ny fotoaa tsy diso nomena azy ny mpangataka, miaraka amin’ny antontan-taratasy feno, ilaina amin’ny fangatahana pasipaoro.

Toromarika mazava

Ny faharoa indray dia fangatahana miaraka amin’ny fampidirana antontan-taratasy ao anaty aterineto. Jeren’ireo teknisianina raha ampy sy tsy misy olana izany antontan-taratasy izany. Raha misy ny tsy tomombana dia marihina ao anaty tranonkala ihany ny anaran’ilay antontan-taratasy tsy ampy. Averina alefa indray ny antontan-tarasy feno, ary rehefa milamina daholo dia mahazo fotoana ilay mpangataka. Tonga miaraka amin’ny antontan-taratasy feno avy eo, rehefa tonga ilay fotoana nifanomezana. Efa mipetraka ao anatin’ny tranonkalan’ny Polisim-pirenena moa ny momba ireo antontan-taratasy ilaina rehetra ireo sy ny toromarika maro samy hafa, amin’ny teny malagasy sy vahiny.

« Box » fanomezana toromarika

Ny hanafainganana ny tolotra omen’ny sampandraharaha miandraikitra ny fanaovana pasipaoro ho an’ny olom-pirenena no tanjona, amin’izao fanatsarana izao. Miaraka amin’izany dia misy ihany koa ny toerana manokana najoro eo anivon’ny polisim-pirenena, hanampiana ny olom-pirenena amin’ny fangalana fotoana anaty aterineto, sady ho tan-tsoroka amin’ny fanamboarana ny pasipaoro. Afaka manatona izany « box » fanomezana toromarika sy fanampiana haka « rendez-vous en ligne » izany ny olona rehetra, na ireo efa eo am-pilaharana toy ny mahazatra aza. Misy tomponandraikitra manoro ny pitsopitsony rehetra ao. 60 ora aorian’ny fametrahana antontan-taratasy feno no azo ny pasipaoro.

Lire la suite

Articles Similaires