• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Météo : Mbola hitohy ny orana hatramin'ny faran'ny herinandro

06/02/2024 14:28 © Moov

Mampitandrina ny tsirairay ny foiben'ny famantarana ny toetr'andro eto Madagasikara ny amin'ny habetsahan'ny rotsak'orana hatramin'ny 8 febroary.

Hitohy ny orana saika manerana ny Nosy ato anatin’ny roa andro manaraka ka ahiana ho betsaka ny rotsakorana (hahatratra 40 hatramin’ny 90 mm ao anatin’ny 24 ora) any amin’ny faritra sasany. Androany 6 febroary dia ireto faritra ireto no tena voakasika : Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, Anosy ary Androy. Hitohy kosa ny rotsak'orana, hatramin'ny 8 febroary izao, ho an'ny faritra Atsimo atsinanana, Fitovinany, Vatovavy ary Sava sy Maroantsetra. Mety hisy araka izany ny fiakaran'ny renirano. Entanina ihany koa ireo eny amin'ny faritra iva mba hanadio ny lakan-drano hisorohana ny fiakaran'ny rano an-tanàna.

Filazana fampitandremana miloko mavo

Androy, Anosy sy Atsimo atsinanana

Filazana fampitandremana miloko maintso

Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, Fitovinany, Vatovavy, Sava ary Maroantsetra.

Lire la suite

Articles Similaires