• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Fikarohana fandikan-dalàna : Mpitandro filaminana miisa 50 vita fiofanana

06/02/2024 10:38 © Moov

Misy manomboka izao ireo mpitandro ny filaminana miandraikitra ny fikarohana fandikan-dalàna eto Madagasikara.

Samy miezaka manatsara ireo tolotra misy ao aminy ny Ministera tsirairay. Izany indrindra no nametrahana ireto vondrona izay hiandraikitra mikasika ny fikarohana fandikan-dalàna. Tontosa omaly alatsinainy faha 05 febroary tao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tetsy Anosy ny fianianana maha "OPJ", nataon'ny Andiany VINA .
Miisa 50 izy ireo izay nahitana Commissaires de Police 20 sy Officiers de Police 30. Ity fianianana ity no manamarika fa azon'izy ireo atao ny mandray an-tanana fanadihadiana sy mikaroka ireo izay nanao fandikan-dalàna. Tsiahivina fa ity andiany ity dia nivoaka ny Sekoly Ambony ny Polisimpirenena ny volana septambra 2023 teo.

Nanome voninahitra ity fotoam-pitsarana manetriketrika ity ny mpitantana eto anivon'ny Polisimpirenena izay notarihan'i Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police , RAKOTONDRAVELO Iangotiana.

Lire la suite

Articles Similaires