• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msanp
Image
Vaovao

Fisorohana ny kolerà : Nohamafisina ny fepetra, toy ny tamin’ny fotoanan’ny covid-19

06/02/2024 10:12 © Moov.Mg

Mbola tsy misy trangana Kolerà eto Madagasikara, saingy ny fepetra fisorohana kosa no efa tsy maintsy raisina, izay ifandrimbonan’ny Governemanta iray manontolo. Misokatra ho an’ny mpandeha rehetra ihany koa, na avy aiza na avy aiza, ny sisin-tany rehetra eto Madagasikara.

Fepetra ara-pahasalamana

Nanatanteraka fanaraha-maso momba ny fepetra ara-pahasalamana izay raisina eny amin’ny seranam-piaramanidina ny minisitry ny Fitarerana sy ny Famantarana ny Toetr'andro, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Filaminana anatiny, ny minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa tanana ary ny minisitra Delegen’ny Zandarimariam-pirenena, omaly. Samy nanome toromarika ireo minisisitra ireo, izay samy niompana tamin’ny fisorohana ny fidiran’ny valan’aretina kôlerà eto Madagasikara avokoa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ireo mpandeha izay miditra eto amintsika sy ny fampiasana ireo fitaovana ara-pahasalamana eo am-pidirana sy eo am-pivoahana ny seranam-piaramanidina ary koa ny seranan-tsambo rehetra manerana an’i Madagasikara.

Fepetra tsy maintsy arahina

Nanomboka ny alahady teo no efa napetraka ny fepetra, araka ny fanazavan’ny Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Rehefa tafiditra ny sisin-tany ny mpandeha dia misy fametrahan-tongotra misy « eau de javel » na « eau chlorée », izay tsy maintsy hitsahina, mba hamono ny otrikaretina mety nanaraka ny tongotra. Manasa tanana amin’ny « gel hydroalcoolique » ihany koa. Ny entan’ny mpandeha dia rarahana ranom-panafody mba hamonoana izay otrikaretina mety hanaraka. Tsy nanakatona sisin-tany kosa i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro, Valery Ramonjavelo, fa tohizina sy amafisina ireo fepetra noraisina nandritra ny vanim-potoanan’ny Covid-19, toy ny fanaraha-maso ireo mpandeha (traçabilité), ny famenoana ny mombamomba ny mpandeha izay ahitana fanadihadiana fohy ara-pahasalamana…

Raha tsiahivina dia tany amin’ny taona 1999 no nisy fiparitahan’ny valanaretina kôlerà farany teto Madagasikara, izay tany amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga no nidirany. Niparitaka manerana ny Nosy izany avy eo, ka olona manodidina ny 25.000 isa no tratrany ary 1.300 isa no namoy ny ainy.

Lire la suite

Articles Similaires