• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unocha
Image
Vaovao

Fiovaovan’ny toetry ny andro : Nijery ifotony ny fiatrehan’i Madagasikara izany ny firenena Mikambana

05/02/2024 12:32 © Moov.Mg

Nitsidika an’i Madagasikara i Reena Ghelani, Mpandrindra vaovaon’ny krizy ara-toetr’andro sy ny fiatrehana ny El Niño eo anivon’ny Firenena Mikambana. Tanjon’ny diany ny fanaovana jery tombana ireo ambana miandry an’i Madagasikara sy ny fampihenana ny voka-dratsin’izany fiovaovan’ny toetry ny andro izany.

Mila miomana mialoha

Firenena isan’ireo marefo indrindra, manoloana ny fiovaovan’ny toetry ny andro, i Madagasikara. Ato ho ato anefa dia hiatrika ilay tranga ara-toetr’andro El Niño indray isika. Mihamahery vaika, noho io tranga io, ny fiantraikan’ny fiovaovana ara-toetr’andro ary mihatra amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy izany. Tamin’ny fotoana nandalovany teto Madagaikara dia nijery ifotony ireo paikady entina manamafy ny sandantohitra hiatrehan’ny mponina ny El Niño i Reena Ghelani. Isan’izany ny ezaka atao itadiavana masomboly mahazaka ny toetr’andro sy ny fametrahana fotodrafitrasa famatsian-drano maharitra. Tanjona ny hanampiana ny Malagasy mba hahavokatra ampy, na eo aza ny toetr’andro, mba hisorohana ny krizy ara-tsakafo eto Madagasikara. Ity fidinana ifotony nataon’ny Mpandrindra ny krizy ara-toetr’andro avy eo anivon’ny Firenena Mikambana ity dia nahafahana nahatsapa fa mila miomana mafy sy faran’izay haingana i Madagasikara, mba hisoroahana ireo loza voajanahary mety hitranga.

Fitantanana ny loza

Niarahana niasa tamin’ny Biraon’ny fandrindrana ny raharaha maha-olona (OCHA) sy ny Biraon’ny mpandrindra ankapoben’ny Firenena Mikambana miasa sy monina eto Madagasikara ny iraka nataon’i Reena Ghelani teto Madagasikara. Ny fitsidiham-paritra tany amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara no nisantarana izany. Ny andro faha-4 tamin’ny fandalovany teto amintsika dia natokany nitsidihana ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza (BNGRC). Anisan’ny naseho azy tamin’izany ny foibe fiantsoana an-tarobia sy finday ary an’habaka, misy fandraisana antso maimaimpoana, izay misokatra ho an’ny rehetra (Call center #930). Teo ihany koa ny Foibe Fanadihadiana sy Fandalinana, Fanaraha-maso sy Fanamafisana ny fahamailoana, ary Fampandraisana fanampahan-kevitra (CERVO) ary ny ivontoerana nasionaly handrindrana ny hamehana (CNCOU).

Rafi-panairana mialoha

Nisy, niaraka tamin‘izany ny fifampizarana teo amin-dRamatoa Ghelani Reena sy ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, tale jeneralin’ny BNGRC, momba ny Drafitrasa nasionaly ho fanatsarana ny rafi-panairana mialoha (SAP) eto Madagasikara, izay niarahan’i Madagasikara nametraka tamin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana. Ity drafitra ity moa dia nosoratana mba hifehezana sy handrindrana ny hetsika rehetra mikasika izany fampitandremana sy fiomanana mialoha izany. Tafiditra ao anatin’izany ilay tetik’asa « rafi-panairana mialoha ho an'ny rehetra » izay hotanterahina ato anatin’ny efa-taona. Ezahan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny hanatratrarana ny tanjona napetraka ao anatin’izany, mandrapahatongan’ny taona 2027.

Lire la suite

Articles Similaires