• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana sy toekarena manga : Nitsidika ny Nosy Barren ireo minisitra tomponandraikitra

05/02/2024 09:36 © Moov.Mg

Nanamarika ny andro eran-tany ho an’ny Faritra Mando ny tany amin’ny Faritra Melaky, tamin’ny faran’iny herinandro iny, tao amin’ny Distrikan’i Maintirano. Nanatrika izany tany an-toerana ny ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, sy ny ministry ny Jono sy Toekarena Manga, Mahantante Tsimanaoraty Paubert.

Manan-karena ara-boajanahary

Manana Faritra mando maro sady midadasika ny Faritra Melaky, izay antoky ny fananana asa mahavelona ho an’ny mponina any an-toerana, raha voakajy sy voakolokolo. Isan’izany ny Nosy Barren, izay manan-karena ara-boajanahary tokoa. Voasokajy ho faritra « Ramsar » izy io ary ao amin’ny morontsiraka Andrefan’i Madagasikara no ahitana azy. Izy ity no Faritra arovana lehibe indrindra eto Madagasikara, noho ny fari-dranomasina manodidina azy. Nijery ifotony ny zava-misy ao amin’ity faritra arovana ity ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fadrosoana Lovainjafy sy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga. Nosy miisa 9 no mandrafitra ny Nosy Barren : Nosy Marify, Nosy Manandra (na Banc Bayfield), Nosy Maroantaly, Nosy Abohazo (na Nosy Androtra), Nosy Dondosy, Nosy Mangily, Nosy Andrano, Nosy Lava ary Nosy Mboro (na Nosy Mavony). Tao amin’ity farany, izay ivon’ny faritra arovana (noyau dur) no notsidihan’izy ireo.

Homena « sata faritra arovana »

Nijery ny fahasalaman’ireo vatohara, izay misy 39 karazana, ireo minisitra mirahalahy, ary nitsidika ny toerana fanatodian’ny soka-dranomasina. Karazana soka-dranomasina miisa 5 no manatody sy mivelona ao amin’ity faritra arovana an-dranomasina ity ary ahitana trondro miisa 150 karazana. Maro ny tombotsoa ara-tontolo iainana sy ara-toekarena ho an’i Madagasikara sy ireo mponina eny ifotony entin’ity Faritra arovana ity, ka notsipihan’ny Minisitra mirahalahy ny tsy maintsy anamafisana ny fiarovana ny Nosy Barren sy ny harena voajanahary ao aminy. Betsaka mantsy ny tsindry mihatra aminy, toy ny fanaovana jono tsy manara-dalàna ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, izay mamotika ireo harena voajanahary ao aminy. Tanjona ny hanomezana « sata faritra arovana » ho an’ity faritra arovana ity, ka tsy maintsy hirosoana ny fametrahana ny “contrat de délégation de gestion” ny Nosy Barren sy ireo faritra arovana, izay mbola tsy nisitraka izany.

Ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna

Nanamarika ity fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny Faritra Mando tany Maintirano ity, ankoatra izay, ny fanolorana boky miisa telo ho an’ny Faritra, izay drafitra fampandrosoana ny toekarena manga sy fampiasambola mahakasika ny toekarena manga. Teo ihany koa ny fanolorana ireo fitaovana ho an’ny fikambanan’ny mpanjono madinika andranomasina miisa 40 tao an-tanànan’i Maintirano. Tetsy an-daniny, Nihaona tamin’ny OMC (organisme mixte de conception) eo anivon’ny Faritra Melaky, ny Ministry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro ny filaminana, ny Fitsarana ary ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana ao Melaky. Ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary sy ny tsy fandeferana mihitsy amin’ny fandikan-dalàna ara-tontolo iainana ary ny fametrahana paikady ho fanamafisana izany fiaraha-miasa izany, no niompanan’ny lahadinika.

Lire la suite

Articles Similaires