• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 29 janoary hatramin'ny 4 febroary 2024

05/02/2024 07:07 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nalaza ny herinandro lasa teo, dia ny 29 janoary hatramin'ny 4 febroary 2024

Valan'aretina # Fisorohana ny choléra

Manoloana ny fisian’ny valan'aretina choléra atsy amin'ny Nosy Comores dia nandray fepetra nanakatona vonjimaika ny sisintaniny ny Faritra Boeny. Miato ireo fitaterana olona an-dranomasina avy any, toy izany koa ny sidina avy any Mayotte. Manaja fepetra fihibohana ihany koa ny sambo mitondra entana. Entanina ny rehetra mba samy hanaja ny fahadiovana, ary tsy hahatoky firy ireo sakafo tsy misarona amidy eny amoron-dalana.

Fambolenkazo # Fiadidiana ny Repoblika

Koa satria efa nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny 26 janoary lasa teo ny taom-pambolenkazo, tsy vitsy ireo vondrona miankina sy tsy miankina amin'ny Fanjakana no mamboly hazo. Ny zoma 2 febroary lasa teo no nanatanteraka ny anjarany ny fianakaviamben'ny Fiadidiana ny Repoblika, notarihan'ny Filohampirenena Andry Rajoelina. Tao amin'ny faritry ny lapan'Iavoloha moa no nanaovana izany fambolenkazo izany. Zanakazo miisa 3000 no voavoly tamin'izany.

Fambolenkazo # Antoko TIM

Teny Imerinkasinina no nanatanterahan'ny Antoko politika Tiako I Madagasikara (TIM) fambolenkazo, ny 3 febroary lasa teo. "'Ndao hamboly ho an'ny taranaka Malagasy" moa no lohahevitra tamin'izany. Nanararoatra nifampiarahaba nahatratra ny taona 2024 ihany koa ireo mpikambana mbola tsy tafahoana. Tonga maro teny an-toerana ireo birao, depiote, tompon'andraikitra ambony sy ireo olon-tsotra.

Antenimierampirenena # Lalàna mikasika ny mpanolana

Nolaniana teny amin’ny Antenimierampirenena ny faha-02 febroary 2024 ny Volavolan-dalàna laharana faha-002/2024/PL. Ny anton’izany fanavaozana ny lalàna izany dia noho ny firongatry ny fanolanana mianjady amin’ny ankizy latsaky ny 18 taona sy ny hitondrana vahaolana ahafahana miady sy mampitsahatra io tranga io. Araka izany dia naverina ny famaritana ny atao hoe fanolanana ary nohamafisina ny sazy ho an’ireo mpanolana, nampidirina anatin’ny sazy vaovao ny “castration”.

Mercy Ships # Tonga eto Madagasikara
Ny voalohan'ny volana febroary teo no tonga tao amin'ny Seranantsambon'i Toamasina ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Hanolotra fandidiana maimaimpoana ho an'ireo olona tena sahirana ny vondrona mpitsabo manampahaizana maro avy any ivelany. Ireo manana fahasamponana amin'ny faritry ny tarehy no tena hahazo tombony. Hisy moa ny fandraisana fisoratana anarana ho an'ireo liana, izay mbola ho ampitaina miandalana eto ihany. Afaka volana vitsivitsy vao hanomboka ny fandidiana.

CUA # Blocs Urinoirs
Ho fitandrovana ny fahadiovana eto an-drenivohitra, ahitana "blocs urinoirs" manomboka izao ny eny eny Tsaralalana, Ambatomena, Anosy, Soarano aorian'ny BOA ary Soarano akaikin'ny Boriboritany voalohany. Natao hanaraka ny fenitry ny CMH ireto "blocs urinoirs" ireto ary manaraka ny fenitra takian'ny fanatsarana ny tanàn-dehibe ka tsy manaratsy endrika ny tanàna, tsy mamoaka fofona be sy mandoto ny manodidina . Misy sarany 100 ariary ny fampiasana ireo kabone ireo mba hoentina hikarakarana sy hanolokoloina ny fotodrafitr'asa.

Tolotr'asa # Sekreteram-panjakana

Mbola misokatra ny fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo maniry ho lasa Sekreteram-panjakana. Miisa 9 ny toerana azo tolorana amin'izany, ka natao ho an'ireo manana Bac+4 izany. Ireto avy ny rafitra hidirana amin'izany : fampidirana jiro any ambanivohitra, fandrindram-piterahana, ady amin'ny fahantrana, ady amin'ny zava-mahadomelina, fanjariana ara-tsakafo, fampandrosoana ekonomika, fiaraha-miasa ara-ekonomika, varotra sy fanjifana, "digitalisation, asa tanana. Azo atao tsara ny mijery ny andinindin'ny tolotr'asa ao amin'ny pejy "Linkedin"-n'ny Fiadidiana ny Repoblika. Olona vonona hampandroso firenena no anaovana antso.

Kianja Barea # Fitantanana vaovao

Mitsangana ny orinasam-panjakana manokana hisahana ny fitantanana ny Kianja Barea Mahamasina : "Société de Patrimoine Kianja Barea SA". Izany no natao dia mba hiantohana ny fikojakojana ny Kianja Barea amin'ny fomba manara-penitra, ka hampaharitra azy. Mety hisy fiakarany ny saran'ny fampiasana ny kianja. Efa mandeha ny tolotr'asa hahitana ireo mpitantana isan-tokony.

Sommet « Italie-Afrique » # Nisy solontena i Madagasikara

Ny minisitry ny raharaham-bahiny Ratsara Rafaravavitafika sy ny minisitry ny fampianarana teknika Lalatiana Rakotondrazafy no nisolo tena an'i Madagasikara tany Roma. Nifandinihana tamin'izany ny mety ho fiaraha-miasa amin'i Italia sy Madagasikara, eo amin'ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fanofanana arak'asa. Nisy ny fihaonan'ny delegasiona malagasy tamin'ny olo-manan-kaja maro tany an-toerana.

Plaza Ampefiloha # Noesorina ny entan'ny Canal 7 Events

Ny zoma 2 febroary lasa teo no nampanatanterahana ny naoty efa navoakan'ny Fampianarana. Navoaka daholo ny entan'ny Canal 7 Events, izay orinasa tantanan'i Andry Raobelina, kandida tamin'ny fifidianana Filohampirenena. Noho ny fahatairana tamin'ny fidirana ny Plaza vao maraimbe dia nisy renimpianakaviana namoy ny ainy. Andrasana ny mety ho tohin'ny raharaha, noho ilay toerana nampiasaina tamin'ny fampiofanana ny tanora. Ahian'ny maro ho adilahy politika no anton'izao tsy famelana ny vondrona Canal 7 Events hampiasa ny toerana ao Ampefiloha izao.

Tambazotra sosialy # Mampitandrina ireo mampidera fitanjahana polisy

Somary nafana ny tao amin'ny tambazotra Facebook noho ny fanaparitahan'ny mpanakanto vehivavy iray "TikTok" mampiseho fitanjahana. Na dia niakanjo tsara aza ilay renim-pianakaviana nandihy, hita misongadina daholo ireo faritra tokony afenina. "Challenge" tamina hira mihetsiketsika moa no nataony tamin'izany. Rehefa nandefa fampitandremana ny CIRGN Antananarivo, nofafan'ilay mpanakanto ilay vidéo sady nifona ampahibemaso ny tenany.

Fasan'ny Karana # Fahatratrarana sokatra kely

Voasambotry ny Polisin'ny CSP5 Mahamasina tetsy amin‘ny fiantsonan‘ny fiara fitateram-bahoaka amin'ny zotra nasionaly etsy amin'ny Fasan'ny karana ny lehilahy iray izay nahatratrarana sokatra miisa 50 ny marainan'ny talata 30 janoary lasa teo. Tsikaritry ny Polisy fa nampiahiahy ny entana nentin‘ity lehilahy ity ka nosavaina avy hatrany ary tamin'izany no nahitana ireo biby arovana izay natao tao anaty sakosy lehibe. Natolotra ny fampanoavana ny alarobia 31 janoary ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ilay lehilahy tompon'antoka.

Avaradrano # Nidoboka am-ponja ilay mpanolana

Lehilahy 24 taona no nalefa eny Tsiafahy noho ny fanolanana zazavavy vao 14 taona teny Sabotsy Namehana. Araka ny fanadihadiana dia manana Cyber Café eny amin'ny manodidina ity tovolahy ity ary mpanjifa ao aminy ilay zazavavy. Efa ela izy no nitory fitiavana tamin'ilay tovovavy saingy rehefa tsy nanaiky azy ity farany dia nanaovany ny filan-dratsiny. Natolotra ny fampanoavana ny talata 30 janoary ny raharaha ka izao izy nidoboka am-ponja izao.

Fodiamandry # Mpanao gazety RDB

Vehivavy iray nanana anjara toerana manandanja teto amin'ny firenena no nindaosin'ny fahafatesana tamin'iny herinandro lasa iny. Eo anivon'ny asa fanaovan-gazety, ny asabotsy alina lasa teo no namoy ny ainy i Lalaina Nalinjara, mpanao gazety tao amin'ny Radio Don Bosco. Tsy zoviana amin'ny maro ny feony, satria efa hatramin'ny taona 1999 izy no nanolotra vaovao. 50 taona ny tenany izao nandao ny tany izao. Mirary fiononana feno ho an'ireo vady aman-janany.

Lire la suite

Articles Similaires