• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Amoron'i Mania : Aman-jatony ireo nisitraka fanofanana fiompiana trondro

01/02/2024 16:43 © Moov

Olona miisa 108 no tonga nanatrika fiofanana mikasika ny fiompiana trondro, tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Kianjandrakefina, Distrika Ambositra, ny 31 janoary lasa teo.

Tafiditra ao anatin'ny 100 andro voalohany amin'ny fanatanterahana tetikasa azo tsapain-tanana ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tao anatin'izany indrindra no nanatanterahana ny fampiofanana fiompiana trondro andobo sy antanimbary ary amin'ny dobo vita amin'ny simenitra, mampiteraka sy manatavy ary Tilapia sy Karpa. Marihana fa asa mahavelona tokoa ny fiompiana trondro, ary azo atao vadinasa ihany koa ho an'ireo manana anton'asa.

Ankoatra ny fiompiana ara-teknika dia nisy ihany koa ny fampiofanana momba ny fitantanana arabola sy ny torolalana amin'ny fangatahana tohana FDA. Nofaranana tamin'ny fampiharana ho fanamafisana ny nolazaina tamin'ny fampianarana ambony latabatra ny fiofanana.

Lire la suite

Articles Similaires