• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fihaonana an-tampony COP 28 : Nitatitra ny vokatra azo avy any Dubaï ny delegasiôna malagasy

01/02/2024 16:18 © Moov.Mg

Manan-danja ho an’ny firenena rehetra, indrindra ireo marefo toa an’i Madagasikara, ny fanatrehana ny fihaonana an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro (COP). Notanterahina androany ny atrikasa nanaovana tatitra ny dian’ny delegasiona malagasy tany Dubaï, taorian’ny nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny COP28.

Fahavoazana sy ny fanonerana

Tombony lehibe indrindra, nivoitra nandritra ny COP28, ny fandaniana ny fametrahana ny tahirim-bola mahakasika ny "fahavoazana sy ny fanonerana" (loss and damage fund), izay natao ho an’ireo firenena marefo, tahaka an’i Madagasikara, manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Fontaine Max Andonirina. Tsy mbola manana ny sandantohitra (résilience) ampy hiatrehana ireo loza voajanahary, toy ny tondra-drano sy ny hain-tany, ireo firenena natao hisitraka izany. Natao hanonitra izany ity tahirim-bola ity ary miady mafy isika ny mba hisitrahan’i Madagasikara izany. Amin’ny fotoanan’ny fihaonana an-tampony toy izao anefa, tsy vao mangataka akory dia mahazo, hoy ny minisitra, fa mifampitohy daholo ny asa sy ny adihevitra ary ny fifandresen-dahatra rehetra atao mandritra ireo fihaonana an-tampony mifanesy. Misy ihany koa ny fepetra mba hahazoana ny famatsiam-bola, toy ny fampisehoan’i Madagasikara fahavononana fa tena handray andraikitra amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Manomana ny COP29

Ity Atrikasa notanterahina androany teny Anosy ity moa dia nentina nampahafantarana sy nanazavana ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny COP 28, izay notanterahina tany Dubaï tamin’ny volana novambra lasa teo. Narahin’ny adihevitra teo amin’ireo mpisehatra momba ny fiarovana ny tontolo iainana izany famelabelaran-kevitra izany. Tafiditra ao anatin’ny fomba fiasa mangarahara sy ny tamberin’andraikitra izany, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana. Maro mantsy ireo delegasiôna nandeha nisolo tena an’i Madagasikara tany Dubaï Emirà Arabo Mitambatra, toy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina,ny mpiasam-panjakana, ny firaisamonim-pirenena, ny olom-boafidy sy olom-boatendry maro isan-tsokajiny, ka rariny raha ampahafantarina ny vahoaka Malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ny vokatra azo avy any. Tsy mijanona hatreo fotsiny ny adihevitra fa efa manomboka androany sahady ihany koa ny fanomanana ny COP29, izay hatao any Azerbaïdjan amin’ity taona ity, mba hananan’i Madagasikara paikady mazava ho entina miatrika izany.

Lire la suite

Articles Similaires