• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fangatahana tanim-panjakana : Miato mandritra ny 90 andro, ho fanatsarana ny fomba fiasa

01/02/2024 11:53 © Moov.Mg

Nohamafisina nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly 31 janoary 2024, fa miato mandritra ny 90 andro aloha ny fangatahana tanim-panjakana rehetra, araka ny toromarika avy amin’ny filoha Andry Rajoelina.

Hovaina ny didy aman-dalàna

Tsy maintsy amafisina ny ezaka hotanterahina eo amin’ny lafiny fananan-tany eto Madagasikara, izay tena mampikaikaika ny vahoaka, hoy ny tatitry ny filàn-kevitry ny Minisitra. Tsy maintsy hirosoana, araka izany, ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny minisitera eo amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany, mba hanafoanana ny fanodikondinana ny tanim-panjakana sy ny tambazotra mpanao hosoka eo amin’io sehatra io. Ao anatin’ny 90 andro no hanatanterahana ny fanentanana amin’ny fanavaozana ireo fangatahana tanim-panjakana, amin’ny alalan’ny fanovana ireo didy aman-dalàna izay mifehy izany. Izany no antony ampiatoana ny fangatahana tanim-panjakana rehetra mandritra io fe-potoana io. Ao anatin’izany, ireo minisitera izay manana tetikasam-panjakana eny amin’ny tanim-panjakana dia mila manao fanamarinana ireo taratasy rehetra mifandraika amin’izany, mba tsy hisy fifanipahana. Tanjona, araka ny filàn-kevitry ny Minisitra hatrany, ny hisian’ny mangaharahara tanteraka eo amin’ny tanim-panjakana rehetra.

Hotohizina ny fizarana kara-tany

Asa hotanterahina ao anatin’ny fanatsarana ny sampandraharahan’ny fananan-tany ny fandrafetana ny drafitra momba ny fananan-tany (Plan Local d’Occupation Foncière), izay ho hampiharina manerana ny Nosy, mba hampirindra ny fitsinjarana ny tanim-panjakana. Tsy maintsy hampadalovina eo anivon’ny Filàn-kevitry ny Ministra izany ary hampiasaina ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra ahafahana manara-maso izany fitsinjarana izany. Ankoatra izay dia hotohizina ny fizarana kara-tany, amin’ny alalan’ny tetikasa CASEF izay iarahana miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hizara kara-tany miisa 1.400.000 mialohan’ny fiafaran’ny volana Jona 2024. Nanome toromarika moa ny Filohan’ny Repoblika, mba hanamafisana ny ady atao amin’ireo tambazotra mpisoloky sy mpanodinkodina tanim-panjakana sy tanin’olon-tokana. Ny fametrahana ireo fanovana ireo, hoy izy, no ahafahana manatanteraka ny drafi-pampandrosoana izay imasoana hanakaiky ny vahoaka. Nanamafy ny Filoha fa tsy hisy indrafo amin’ny fangalarana sy fanodikodinana tany, sy izay mety ho endrika kolikoly rehetra manodidina izany.

Lire la suite

Articles Similaires