• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiarovana ny karazanjavamananaina : Irosoana ny ady amin’ny fihanaky ny radakaboka

01/02/2024 08:49 © Moov.Mg

Tany amin’ny taona 2010 tany ho any no tafiditra tsy nahy teo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny radakaboka, izay karazan-tsahona aziatika tena manimba ny karazanjavamananaina eto Madagasikara. Imasoan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra rehetra voakasika, ny famongorana azy ity.

Mora mameno ny tontolo

Saobakaka misy poizina ny radakaboka, ka mety mamono ny biby mihinana azy. Isan’izany ny bibilava. Ny bibilava anefa, tokony hihinana ny voalavo, ka lasa miakatra an-tanàna izany. Hoy ny fanazavana nentin’ny talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD), ao amin’ny Faritra Atsinanana, TEZENA Lionel Armando. Tsy vitan’izany fa tena mora miparitaka ny radakaboka no sady mameno ny tontolo, satria ny vavin’ny radakaboka iray dia mety hanome atody 10.000 isa, ao anatin’ny fanatodizana indray mandeha monja. Noho izany indrindra, tsy tokony misy andraso andraso intsony, fa efa tokony tanterahina ny politika nasiônaly momba ny famongorana ny radakaboka, izay karazana sahona tena manimba ny tontolon’ny biby sy ny karazanjavamananaina eto amintsika, hoy i TEZENA Lionel Armando. Nanatanteraka atrikasa momba ny paikady nasionaly entina mamongotra ity karazana sahona ity ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy omaly, teny Nanisana, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra voakasika, satria ady maro lafy ity ady amin’ny radakaboka ity.

Ahiana hihanaka any Mananjary

Ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo no tena ahitana ny radakaboka ankehitriny, araka ny nambaran’ny DREDD Faritra Atsinanana. Efa misy filazana ihany koa fa ahitana azy any Mananjary, Faritra Vatovavy, saingy mbola tsy nahitana porofo aloha izany hatreto. Araka izany, maika ny fanatanterahana ny paikady nasionaly hiadiana amin’ny fihanak’ity karazan-tsahona ity. Efa tany amin’ny volana oktobra 2023 moa no nanatanterahana atrikasa nananganana komitim-pirenena miady amin’ny karazam-biby mpihanaka manimba ny karazanjavamananaina, sy nametrahana ny drafitrasa nasionaly hamongorana ny radakaboka (Comité national sur les espèces exotiques envahissantes et la consultation du plan national d’action contre le radakaboka). Omaly dia natsangana ny komity manokana hiompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana (biosécurité), ao anatin’ireo hetsika rehetra hotanterahina hiadiana amin’ity karazan-tsahona manimba ity.

Lire la suite

Articles Similaires