• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lalie
Image
Vaovao

Lalie : Mila fanampiana maika !

31/01/2024 07:55 © Moov

SOS ho an'ny mpanakanto Lalie. Laharam-pifandraisana : 033 81 997 59.

Tojo tsy fahasalamana i Lalie, mpanakanto manana ny lazany eto Madagasikara. Omaly talata 30 janoary alina, naiditra vonjimaika etsy Befelatanana sampana "Gynécologie" ny mpanakanto Lalie noho ny fihomboan'ny aretina mahazo azy amin'ny kibony: "kystes Ovarienne volumineuse".
Koa miangavy fanampiana amin'izay malala tanana rehetra ny tenany fa tsy maintsy hiatrika fandidiana maika, nefa mbola misy scanner sy analyses maro ho atao aminy mialoha izany. Ao amin'ny porte 413 services Gynécologie no misy azy ary ity ny laharana azahoana azy ireo : 033 81 997 59
Raha tsiahivina dia ny taona 2022 no tena niverenan'i Lalie indray teo amin'ny sehatry ny kanto Malagasy. Nanolotra fampisehoana maro izy, na nadeha irery na niaraka tamin'ireo mpanakanto namany. Somary nangingina nefa ny tenany tamin'ny faran'ny taona teo.
Mirary fahasalamana tanteraka ho an'i Lalie !

Lire la suite

Articles Similaires