• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fenitra 10 mampahomby ny fambolen-kazo : Hanofana ny tanora ny INDRI sy ny vovonana Aika

30/01/2024 11:44 © Moov.Mg

Fomba fanao efa zary lasa fahazarana eto Madagasikara ny fambolen-kazo. Fotoanany indrindra izao, saingy maro amin’ireo tetikasa fandrakofana ala no tsy mahomby, satria saika mionona eo amin’ny fambolena fotsiny ireo mpamboly hazo, fa tsy manohy mikarakara. Mba hialana amin’izany dia mikarakara atrikasa miantefa amin’ireo tanora te hisehatra amin’ny fambolen-kazo mahomby ny INDRI sy ny vovonana Aika.

Fambolena mahavanona

"Ireo Fenitra 10 mampahomby ny fambolenkazo eto Madagasikara, hazavaina amin’ny tanora "no lohahevitr’ity atrikasa ity, izay azo arahina ampitain-davitra, rahampitso alarobia 31 janoary manomboka amin'ny 12h30. Nosintonina avy tamin’ireo fomba fanao tsaran’ireo mpisehatra tamin’ny fambolen-kazo ity lohahevitra hovelabelarina ity. Maro tokoa mantsy ireo antony tsy mampahomby ny fambolen-kazo, toy ny tsy fanomezan-danja ny tranga misy eny ifotony, ny tsy fampandraisana anjara ny vondron’olona ifotony, ny teknika tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola, ny tsy fametrahana drafitra maty paika ary indrindra ny tsy fanaraha-maso ny hazo novolena. Tsy ny fambolen-kazo fotsiny anefa no tokony imasoana, raha te handrakotra ala an’i Madagasikara indray, fa tsy maintsy kendrena ihany koa ny hahavanona ireny zanakazo nambolena ireny.

Mpisehatra mahomby

Hifantoka amin’ny fomba mampahomby ny fambolen-kazo ny atrikasa karakarain’ny INDRI sy ny vovonana Aika, ary ireo tanora no tena entanin’izy ireo handray anjara amin’izany. Zava-dehibe ny manao izay mampahomby sy mahatsara kalitao ny fambolen-kazo tanterahintsika, hoy ny mpikarakara. Tena azo atao tsara ny mahavanona ireo zanakazo, rehefa manaraka ireo fenitra 10 mampahomby azy, ka izany no hozaraina amin’ny tanora. Afaka manaraka izany tsara ihany koa ny olona rehetra, amin’ny alalan’ny rohy izay hita ao anatin’ny pejy Facebook-n’ny « INDRI # Réussir le changement à Madagascar », sy ny « Aika », izay mampivondrona ireo tanora sy fikambanana tanora misehatra amin'ny tontolo iainana. Ankoatra ny fahalalana azo, mandritra ity atrikasa ity, dia hahazo tombony ihany koa ireo tanora amin’ny fahafahana mifandray mivantana amin’ireo matianina eo amin’ny fambolen-kazo. Ho afaka hametraka fanontaniana mivantana izy ireo ary ho lasa mpisehatra tena mahomby amin’ny fanamaitsoana an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires