• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Fananganana « parcs solaires » : Ho avy amin’ny faran’ny volana ny andiany voalohany amin’ireo fitaovana

29/01/2024 16:36 © Moov.Mg

Ho tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’ity faran’ny volana janoary ity ireo fitaovana hampiasaina amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro, araka ny nambaran’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Olivier Jean-Baptiste.

Mitsitsy solika

Araka ny tetikasan’ny Fitondram-panjakana izay efa nampahafantarina ombieny ombieny dia hapetraka amin’ny Faritra 18 eto Madagasikara ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro, na « parc solaire », miisa 47. Hitondra tombontsoa maro ny fahatanterahan’izany tetikasa izany, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Olivier Jean-Baptiste. Voalohany, dia hampihena betsaka ny filàna ara-tsolika ny fampiasana ireo fitaovana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo. Hahafahan’ny Jirama mametra be ny fandaniana izany. 18 tapitrisa litatra ny fitsitsiana solika vita rehefa tafapetraka ireo « parcs solaires » ireo, hoy izy. Ankoatra izay dia angovo madio ihany koa no ho ampiasaina, satria tsy mandoto ny totolo iainana ity fotodrafitrasa ity.

Efa vita ny fanadihadiana

Tsy vitan’izany fa noho izy mandeha amin’ny masoandro, dia mamokatra foana ireo « panneaux solaires » rehefa midanika ny andro, ka misy herinaratra mandeha foana, hahafahan’ny olona misitraka herinaratra tsy miato mandritra ny fotoana iasany. Manampy ny olona eo amin’ny fidiram-bolany ihany koa, araka izany, ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro ireo. Araka ny nambaran’ny minisitra hatrany dia efa vita avokoa ny fanadihadiana rehetra amin’ny pitsopitsony momba ny fananganana ny fotodrafitrasa. Efa vonona ihany koa ny tany hanorenana izany. Ho tonga tsikelikely ireo fitaovana, izay mety hahatratra hatramin’ny kaontenera 300 isa no hitatitra azy, izany hoe : mety hisy fahatongavana fitaovana im-polo na mihoatra aza, ka ny ampahany voalohany dia io andrasana amin’ny faran’ny volana io.

Lire la suite

Articles Similaires