• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierampirenena : Nisokatra androany maraina, natrehin’ny Praiminisitra

29/01/2024 15:31 © Moov.Mg

Nisokatra tamim-pomba ofisialy androany maraina teny min’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena. Nitarika izany ny solontenan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny Filoha lefitra misahana ny faritanin’Antanananarivo, Naivo Raholdina.

Lahadinika telo

Nanotrona ity fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena ity ny praiminisitra Ntsay Christian, ny filohan’ny Antenimierandoholona Ravalomanana Richard ary ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tsy eto an-toerana kosa, ka nosoloin’ny Filoha lefitra misahana ny faritanin’Antanananarivo, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, izay mitsidika ny Repoblika Alzerianina demôkratika sy entim-bahoaka, nanomboka omaly 28 janoary 2024. Lahadinika telo lehibe no hodinihina ao anatin’ny 12 andro fara-fahalavany, dia ny momba ny Fandaharanasa ankapoben’ny Fanjakana (PGE), ny volavolan-dalàna mikasika ny fehezan-dalàna famaizana ny fanolanana amin’ny fomba feno habibiana ary ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna lf 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014.

Lalàmpanorenana andininy faha-99

Momba ny PGE dia nanamarika i Naivo Raholdina fa manana adidy lehibe ny Solombavambahoaka, araka ny voalazan’ny andininy faha-99 amin’ny Lalàmpanorenana manao hoe : « Ao anatin’ny telopolo andro nanendrena azy no anoloran’ny Praiminisitra ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny politika ankapoben’ny Fanjakana amin’ny Antenimiera izay afaka manome tolo-kevitra. Raha tsapan’ny Governemanta eo am-panatanterahana ny asa fa misy fanovàna fototra tokony hatao amin’io fandaharanasa io, dia entin’ny Praiminisitra eny amin’ny Antenimierampirenena izay afaka manome tolo-kevitra izany fanovàna izany. » Mahakasika ny fanitsiana ny lalàna famaizana momba ny fanolanana dia nampahatsiahy ny fitsidihana efa nataon’ny Solombavambahoaka teny anivon’ny Centre Vonjy ny Filoha lefitra misahana ny faritanin’Antananarivo, ka niantsoany manokana ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hijery manokana io ivon-toerana natokana handraisana an-tanana ireo niharan’ny herisetra ara-nofo io.

Ho fanatanterahana ny andininy faha-76 sy 85 amin’ny Lalàmpanorenana ity fivoriana tsy ara-potoana ny parlemanta ity.

Lire la suite

Articles Similaires