• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanambaram-pananana : Nahatontosa ny azy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy

29/01/2024 11:04 © Moov.Mg

Nanatitra ny antontan-taratasy fanambaram-pananany teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana eny Ambohidahy, androany 29 janoary 2024, i Fontaina Max Andonirina, minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD).

Fanjakana tsara tantana

Araka ny nambaran’ny avy eo anvon’ny MEDD, dia sady ho fanatanterahana ny voalazan’ny Lalàmpanorenana izao dingana nataon’ny minisitra izao no mariky ny fahavononany hametraka ny fanjakana tsara tantana eo amin’ny departemantan’ny tontolo iainana izay sahaniny ihany koa. Ny fanarahana ny lalàna sy ny ady amin’ny kolikoly dia isan’ny antoka amin’ny fametrahana ny Fanjakana tsara tantana, izay andry 3 iompanan’ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Araka izany, manana ny Politika anatiny ho an’ny ady amin’ny kolikoly ny MEDD, araka ny fampitam-baovao. Atao laharam-pahamehana amin’ny fanatanterahana izany ny fametrahana ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly eo anivony sy any amin’ireo rantsa-mangaika. Eo ihany koa ny famafisana ny fahaiza-manao amam-pahalalan’ireo mpiara-miasa, mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, ary ny fametrahana fomba fiasa mangarahara sy lavitry ny kolikoly.

Voadidin’ny lalàna

Ny Lalàmpanorenana rahateo, ao amin’ny andininy faha-41 dia milaza fa « Alohan’ny hanatontosana ny asa na iraka sy hisahanana ny andraikiny dia mametraka fanambaram-pananana manoloana ny Fitsaràna Avo Momba ny Lalàmpanorenana ireo sokajin’olona voalazan’ny andàlana etsy ambony ». Ireo olona voatondro ireo dia ireo izay nantsoina hisahana andraikitra maha olom-boafidy, na hamita asa, na hanatontosa iraka eo anivon’ireo Andrim-panjakana, ka tafiditra ao anatin’izany ny minisitra isan-tokony. Araka ny andininy faha-183.1 (vaovao), ao anatin’ny lalàna laharana faha-2004-030 tamin'ny 9 septambra 2004 mikasika ny ady amin'ny kolikoly kosa, dia « Hosaziana an-tranomaizina 6 volana hatramin'ny 5 taona sy lamandy 50 tapitrisa Ia na 10 tapitrisa ariary hatramin'ny 200 tapitrisa na 40 tapitrisa ariary, izay rehetra olona manana fahefam-panjakana na misahana andraikitra momba ny asam-panjakana, izay rehetra olona misahana asam-panjakana, izay rehetra olona misahana asam-panjakana mahavoafidy, ny mpitarika, ny nomem-pahefana na mpikarama amin'ny fanjarianasam-panjakana rehetra izay tsy afaka manamarina ara-dalàna ny fampitomboana mivaingana ny fananany raha oharina amin'ny vola tokony ho izy miditra aminy. »

Lire la suite

Articles Similaires