• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mi-Tily Sary
Image
Vaovao

Tily eto Madagasikara : Nakotroka ny fanokafana ny jobily faha-100 taona

28/01/2024 17:21 © Moov.Mg

"Mandehana amin'izao herinao izao...tanteraho ny fanomponao" (Mpitsara 6:14 ; 2 Timoty 4:5e), io no teny faneva entina manamarika ny jobily faha-100 taona nijoroan’ny Tily eto Madagasikara. Omaly sabotsy 27 janoary no nanokafana tamim-pomba ofisialy izany, tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina.

Feno ny Lapan’ny Kolontsaina

Fanompoam-pivavahana lehibe no nentina nanombohana ity fotoam-pankalazana ny faha-100 taonan’ny skoto zazalahy protestanta teo Madagasikara ity. Lovitao, Tily, Mpiandalana, Mpitarika, Mpiandraikitra, Filoha, Tily Tranainy, Mpanohana, sakaiza, fianakaviamben'ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara, olom-boafidy, olom-boatendry, mpitondra fivavahana, mpiara-miombon'antoka, sivily sy miaramila, no tonga nanotrona ity fotoan-dehibe ity. Narahina fanavaozana ny Fanekena Tily, fampitana fanilo teo amin’ny Tily zokiny sy zandriny, fizarana loka isan-karazany tamin’ireo fifaninanana nokarakaraina tao anatin’izao fankalazana tsingerin-taona izao, ny lanonam-panokafana. Nanodidina ny 5.000 isa ny mpikatroka Tily, izay nameno ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina tamin’io andron’ny sabotsy io.

Mila fanohanana

Fanokafana ihany moa iny tontosa iny, fa saika hisy fanamarihana izany tsingerin-taona izany foana isam-bolana, mandritra ity taona 20024 ity. Isan’izany ny fikaonan-doha ara-tsiantifika, nampitondraina ny lohahevitra hoe : « faha-100 taonan’ny Tily eto Madagasikara », izay hotontosaina any amin’ny Académie des sciences d'Outre-mer any Frantsa ary hampitaina mivantana aty Madagasikara. Tahaka izany koa ny lasy Jaobily lehibe, izay hatao eto Antananarivo, any amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Fihaonana, Distrikan’Ankazobe, ny 1 hatramin’ny 5 aogositra. Mpilasy manodidina ny 10.000 isa avy amin’ireo Faritany Tily 30 isa manerana an’i Madagasikara sy any Frantsa no andrasana ho avy amin’izany. Nangataka fanohanana manokana tamin’ny mpitondra Fanjakana, mpiara-miombon’antoka, sehatra tsy mainkina sns ny Tily, satria maro ireo ilaina amin’ny fanatanterahana izany lasy lehibe izany : toy ny rano, ny toeram-pivoahana azo afindrafindra toerana, ny mpitandro ny filaminana, ny lay…

Hanangana orinasa 100

Ankoatra ireo fandaharam-potoana ireo dia manana tetikasa maro ny Tily eto Madagasikara, toy ny fanohizana ny fanajariana ny tanàna Skoto eny Antsahamarofoza. Ho havaozina ihany koa Antsahamanitra, izay toerana misy ny foiben’ny Tily eto Madagasikara. Manana tetikasa ny hanangana orinasa miisa 100 ireo skoto zazalahy Protestanta ireo, manerana an’i Madagasikara, ho fanamafisana ny faha-100 taonan’ny Tily. Teto dia nanome toky ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, André Haja Resampa, izay tonga nanotrona ity fotoam-panokafana ity, fa hanohana ny vina napetrak’izy ireo amin’izany famoronana orinasa izany, izay mifandraiky amin’ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana. Ny 20 desamba 2024, fotoana hamaranana ity taon-jobily lehibe ity moa no hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny boky mitantara ny fiainan’ny Tily eto Madagasikara, tao anatin’izay 100 taona izay.

Lire la suite

Articles Similaires