• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tokely Justin
Image
Vaovao

Faritra Diana : Nahazo fanampiana ireo traboina tao Ambilobe

26/01/2024 20:14 © Moov

Nampitondra takaitra faritra maro eto Madagasikara ny orambe tamin'iny herinandro lasa iny. Efa maro ireo traboina no nahazo fanampiana. Ho an'ny Minisitry ny Atitany Tokely Justin, ireo tao Ambilobe no nojereny manokana.

Tokantrano marefo miisa 294 izay nitondra takaitra noho ny oram-be mikija tany amin'ny Distrikan'i Ambilobe no nisitraka fanomezana avy amin'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny BNGRC.
Vary mitotaly 3.150 kg, voamaina 750kg ary menaka 294l izay mitsinjara ho vary 12,5kg, voamaina 3kg ary menaka 1l isan-tokantrano no nozaraina.
Kaominina efatra tena voakasiky ny tondra-drano no nizaràna ireo fanomezana ireo ny alakamisy faha 25 janoary 2024 dia ny Kaominina Beramanja, Mantaly, Tanambao Marivorahona ary Antsaravibe.

Lire la suite

Articles Similaires