• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanokafana ny fambolen-kazo 2024 : Zanakazo 700 000 isa no voavoly manerana an'i Madagasikara

26/01/2024 15:25 © Moov.Mg

Ny Tanà-Masoandro eny Imerintsiatosika no nosafidian’ny Fitondram-panjakana hanatanterahana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo taona 2024, androany. Efa miaina tanteraka ny voka-dratsin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana i Madagasikara, ka manan-danja loatra izao hetsika izao.

Manarina velaran-tany simba

Hazo miisa 18 000 no novolena tamin'ny velaran-tany mivelatra amin’ny 20ha, teny amin’ny tanàna vaovao Tana-Masoandro Imerintsiatosika. Karazan-kazo maro no novolena teny, toy ny mantaly, likidambary, « flamboyant géant », « jacaranda », ary ny « frêne ». Ankoatra ny ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny androm-pirenena ho an’ny fambolen-kazo, izay notarihan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sy natrehin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tsokajiny, dia nisy ihany koa ny fanombohana fambolen-kazo notontosaina tany amin’ny Faritra hafa. Raha atambatra dia miisa 700 000 ny zanakazo voavoly manerana an'i Madagasikara androany. Mirefy 7 5000 ha no tany hovolena amin’ity taom-pambolen-kazo ity ary tsy maintsy vitantsika izany, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD), Fontaine Max Andonirina. Tafiditra ao anatin’ny fanambin’i Madagasikara rahateo ny hanarina velaran-tany simba mirefy 4 tapitrisa ha, hatramin’ny taona 2030.

Ala may an’hetsiny isan-taona

Notsiahivin’ny Minisitry ny MEDD, tao anatin’ny fandraisam-pitenenany, fa iray hetsy isan-taona ny ala may eto Madagasikara. Maro ny fiantraikany ratsy aterak’izany amin’ny tontolo iainana ary samy miara-mizaka izany avokoa ny vahoaka malagasy, toy ny tondra-drano, ny hain-tany sy ny fahasimban’ny natiora. Mitomany ny tany, hoy kosa ny filoha Andry Rajoelina, tao anatin’ny lahateniny. Tsy misy afaka ny hanarina ny fahasimbana anefa, raha tsy isika olombelona ihany, hoy izy. Araka izany dia nanentana ny Malagasy izy mba hamboly hazo, na olon-tsotra, na mpanao politika, na mpiasa, na mpianatra… Tsy mamboly fotsiny kosa, fa ifantohana ihany koa ny fanaraha-maso ny zanakazo, hoy ny minisitra Max Fontaine. Nampahatsiahy izy fa nametraka ny SIR, na « Système d’Information sur le Reboisement » ny ministera, izay manamora ny fanaraha-maso ny tetikasam-pambolen-kazo rehetra manerana ny Nosy.

Fotodrafitrasa maro

Nanararaotra nampahafantatra ireo tetikasa hatsangana ao anatin’ity tetikasa Tanà-Masoandro ity ihany koa ny Filoham-pirenena, tao anatin’ny lahateniny. Isan’izany ny famindrana ny Ministera rehetra ho eny Imerintsiatosika. Ny efa mijoro ao aloha, amin’izao fotoana izao, dia ny Tranoben’ny Serasera, izay efa natsangan’ny Minisitra teo aloha, araka ny fanamarihan’ny Filoha. Efa nahitana famatsiam-bola avy amin’ny governemanta Sinoa kosa ny fananganana ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, ka samy hatomboka amin’ity taona ity avokoa izany araka ny nambaran’i Andry Rajoelina. Hisy hôpitaly hatsangana ihany koa moa ao amin’ity tanàna vaovao ity ary hisy ny faritra manokana ho an’ireo Masoivoho. Ilay fiarandalam-by an-tanàn-dehibe, izay hiainga ao Antananarivo, dia ho tonga any amin’io tanàna vaovao io. Etsy an-daniny, hisy ny lalana mampifandray an’Antananarivo sy Imerintsiatosika, izay hirefy 23 km eo ho eo.

Lire la suite

Articles Similaires