• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fahasalamana : Ankizy latsaky ny 5 taona miisa 220 isan’ora no mamoy ny ainy, aty Afrika

26/01/2024 12:11 © Moov.Mg

Tsy nahitana fivoarana ny momba ny taham-pahafatesan’ny zaza eto Madagasikara, tao anatin’ny 10 taona, araka ny antontan’isa maro. Marobe ireo antony mitaika ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny 5 taona eto amintsika, izay saika itovitovizana amin’ny zava-misy ao Afrika Afovoany sy Afrika Avaratra.

Ankizy 5 200 isa isan’andro no maty

Ny 14%-n’ny ankizy maneran-tany dia monina ao Afrika Afovoany sy Afrika Avaratra avokoa, araka ny anontan’isa nivoaka tamin’ny taona 2021. 5 200 isa isan’andro anefa no ankizy maty any amin’ireo firenena ireo, izany hoe : 220 isan’ora, raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2021 hatrany, izay nampahafantarina an’ireo mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny Tambazotran’ireo Haino aman-Jery Afrikanina ho an’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana sy ny Tontolo iainana (REMAPSEN), niofana tany Lomé Togo tamin’ny volana novambra 2023. Fikaonan-doha sy fiofanana momba ny fahasalaman’ny ankizy, ny vaksiny ary ny fanjariantsakafo no notontosaina nandritra izany, niarahan’ny REMAPSEN sy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) nikarakara. Nanana solontena nanatrika izany ny solontenan’ny REMAPSEN eto Madagasikara, izay nanao tatitra ny momba ny diany teny amin’ny Foiben’ny UNICEF Madagascar eny Andraharo, androany.

Manana andraikitra ny mpanao gazety

Ankoatra ny tatitra nataon’i Vonona Rakotondratsimba, mpandrindra nasionalin’ny REMAPSEN Madagasikara, dia isan’ny niompanan’ny dinika ihany koa ny momba ny anjara andraikitry ny mpanao gazety, manoloana ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny ankizy malagasy. Araka ny antontan’isa tokoa mantsy dia tombanana ho ankizy malagasy latsaky ny 5 taona 66 isa, amin’ny 1.000 teraka velona, no mamoy ny ainy eto Madagasikara. Isan’ny antony mitarika izany fahafatesana izany ny tazomoka, ny aretim-pivalanana isan-karazany, ny aretin’ny taovam-pisefoana, fa indrindra ny tsifanjariantsakafo. Raha tsiahivina dia ny 46%-n’ny ankizy malagasy latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo ary ny 39% no misy fahatarana ara-pitomboana. Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fampahafantarana ny zava-misy amin’ny mpiara-belona ny mpanao gazety, sy manaitra ny sain’ny mpanapa-kevitra ihany koa, mba ho fanatsarana ny fahasalaman’ny zaza malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires