• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Faritra Sava : Natao andrimaso ny vidim-bary

26/01/2024 04:13 © Moov

Vidim-bary sy PPN : Tany amin'ny faritra Sava indray no notsidihin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.

Manara-maso hatrany ny famatsiana ny tsena manerana ny Nosy ny ekipan'ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity dia tao Sambava, Andapa ary Antalaha no nanaovana ny fitsirihana ny vidin'entana ilaina amin'ny andavanandro. Ny vidim-bary no tena natao andrimaso tamin'izany. Ny tena tanjona moa dia ny hisitrahan'ny mponina vidin'entana ara-drariny tsy misy fanararaotana.
Tao Andapa dia nisy ny fifampiresahana tamin'ireo mpanangom-bokatra sy mpitoto vary fa tsy tokony hihoatra ny 160000Ar ny vary iray gony 60kg mivoaka amin'ny ozinina raha hivarotra izy ireo, na misy aza ny fahasarotan'ny famoahana ny vokatra avy any ambanivolo noho ny rotsakorana.
-Nisy ny fifampiresahana tamin'ireo mpamongady ao amin'ny faritra SAVA mba hampitomboan'izy ireo ny tahirim-bary.
-Nisy ny fisavana faktiora ho an'ireo izay hita fa manararaotra. Nampanantsoina tany amin'ny birao, nanaovana fanadihadihana izy ireo.
-Nohamafisina ny fitsirihana ireo trano fanatobiam-bokatra, ny fanaovana fanambaràna tahiry sy vidin'entana ho an'ireo mpamongady sy mpanangom-bokatra.

Lire la suite

Articles Similaires