• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Holafitry ny infirmiera : Tsy handefitra amin’ireo misandoka ny asan’izy ireo

25/01/2024 15:31 © Moov.Mg

Manatanteraka fivoriambe eny amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha, nanomboka androany hatramin’ny rahampitso, ny biraon’ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara (CONIM). Isan’ny hodinihina mandritra izany ny fanadiovana ny tontolon’ny infirmiera, izay maro no misandoka manao ny asa.

Hanenjika ny tsy ara-dalàna

Manomboka amin’io herinandro ho avy io dia hidina hijery ny zava-misy eny ifotony ny biraon’ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara, manoloana ireo olona marobe manatanteraka ny asan’ity sokajina mpitsabo mpanampy ity, nefa misy no tsy nanaraka fiofanana mahakasika izany akory. Eo am-panomanana ny paikady rehetra entina miatrika izany ny CONIM, araka ny fanazavan’ny filohan’ny holafitra, Andrianarison Jean Aimé Botosera, fantatra ihany koa amin’ny fiantsona hoe : John Love. Tanjona maika, napetrak’ity birao vao voafidy tamin’ny volana desambra ity, ny hanenjika ireo tsy ara-dalàna. Tafiditra ao anatin’izany ireo olona manao ny asa nefa tsy nianatra momba izany akory. Hojerena akaiky ihany koa ireo toeram-pampianarana « Paramed », izay tsy manaraka ny fenitra ny fampianarana omeny, sy ireo mivarotra diplaoma amin’olona tsy nianatra akory.

Handray fepetra

Araka ny nambaran’i John Love dia 45.000 no isan’ny infirmiera eto Madagasikara ankehitriny. Ny 17.800 ihany anefa no voasoratra ao anatin’ny lisitra eo am-pela-tanan’ny holafitra. Manentana ireo tena infirmiera, araka izany i Andrianarison Jean Aimé Botosera, mba hiditra ho mpikambana. Sokajiana ho tsy ara-dalàna mantsy ny fanaovana izany asan’ny mpitsabo mpanampy izany, raha tsy ao anatin’ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara (ONIM). Tsy maintsy hisy, araka izany, ny fandraisana fepetra ho azy ireo. Etsy an-daniny, mangataka amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny filohan’ny ONIM mba handray ireo infirmiera ara-dalàna mbola tsy an’asa, satria mbola vitsy ihany ny isan’izy ireo eto Madagasikara, raha mitaha amin’ny isan’ny mponina. Ho an’ireo tobim-pahasalamana tsy miankina, takian’ny ONIM ny hanesoran’izy ireo an’ireo olona tsy nianatra, nefa ampiasaina ho infirmiera. Olona manana ny fahaizana amam-pahalalana momba izany, hoy i John Love, no tokony hanatanteraka izany asa fitsaboana izany, satria saro-pady ny fahasalam-bahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires