• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fahatapahan’ny lalam-pirenena faha-6 : Hatomboka ny fametrahana tetezam-by

25/01/2024 14:17 © Moov.Mg

Hatry ny omaly no efa tapaka tanteraka ny lalam-pirenena faha-6 (RN6) mampitohy an’Ambondromamy sy Antsiranana, vokatry ny lavaka lehibe nanasaraka roa ny lalana, ao amin’ny Fokontany Ankaramihely kaominina Ankaramibe eo amin’ny PK 400. Efa an-dalana kosa ny fanamboarana izany.

Rotsak'orana tsy toy ny mahazatra

Araka ny fampitam-baovao dia efa niainga any Antsohihy ny fitaovana rehetra entina mametraka tetezam-by na « pont modulaire » eo amin’ilay toerana nitrangan’ny fahatapahan-dalana goavana, ka tsy ahafahan’ny fiara rehetra mifamoivoy, any amin’iny lalam-pirenena faha-6 iny. Hiasa andro aman’alina ny ekipa teknika avy amin’ny Ministeran’ny asa vaventy, amin’ny fametrahana izany, mba hiverenan’ny fifamoivoizana haingana, araka izay azo atao. Betsaka tsy toy ny mahazatra ny rotsak'orana nitranga tato ho ato, noho ny fiovaovan'ny toetrandro, antony nitarika fihotsana sy fahatapahan'ny lalana manerana an’i Madagasikara, hoy ny Ministeran’ny Asa vaventy. Tsy afa-bela tao anatin’izany ny lalam-pirenena faha-6, mampitohy an’Ambondromamy sy Antsiranana, ka dia izao tapaka tanteraka izao.

Halatra fantson-drano

Noho izany indrindra dia nidina ifotony any amin’ny lalam-pirenena faha-6 ny minisitry ny Asa Vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, nijery ifotony izay ampahan-dalana rehetra ahiana ho tapaka, ary nijery ny vahaolana mba hanokafana haingana ny lalana izay efa tsy azo aleha intsony. Etsy an-daniny, isan’ny miteraka ny fahasimban-dalana ihany koa ny halatra fantson-drano (buse), izay niseho lany ihany koa tao ho ao. Manara-maso izany antony mahasimba ny lalana rehetra izany ny teknisianin’ny ministeran’ny Asa Vaventy, araka ny fampitam-baovao. Ny Zandarimariam-pirenena kosa no mandamina ny fizotran’ny fifamoivoizana any amin’ity lalam-pirenena faha-6 izay nitrangam-pahavoazana ity.

Lire la suite

Articles Similaires