• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemanta : Hodinihina ny momba ny sazy ho an’ny mpanolana

25/01/2024 10:33 © Moov.Mg

Hanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana ny Parlemanta, manomboka ny alatsinainy 29 janoary ho avy izao. Lahadinika 3 nofaritan’ny Filàn-kevitry ny Minisitra natao omaly alarobia 24 janoary no hodinihin’izy ireo mandritra izany, dia ny momba ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) sy ny fanatsarana ny lalàna manafay ny fanolanana ary ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Politika ankapoben’ny Fanjakana

Tao anatin’ny Filàn-kevitry ny minisitra roa izao, no nampahafantaran’ny Filohan’ny Repoblika ny mpikamban’ny Governemanta ireo asa maika isaky ny departemanta, tsy maintsy hatao ao anatin’ny 100 andro voalohan’ny fotoam-piasany, ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE). Rehefa voafaritra sy voalototry ny Filoha eo anivon’ny Filàn-kevitry ny Minisitra izany dia tsy maintsy ampahafantarin’ny Governemanta eny anivon’ny Parlemanta, araka ny fandidian’ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andininy faha-76 sy 85. Araka izany, nolanian’ny Filàn-kevitry ny Minisitra, omaly, ny didim-panjakana mampiantso ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta, manomboka ny alatsinainy 29 Janoary 2024 ary tsy mihoatra ny 12 andro, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana hatrany. Lahadinika efa voafaritry ny Filàn-kevitry ny Minisitra ihany moa no azo dinihina mandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta. Loha-laharana ny momba ny PGE, izay miompana amin’ny andry 3 lehibe, raha tsiahivina, dia ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha-olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana.

Sazy mafy ho an’ny mpanolana

Ankoatra izay dia nampidirina mba hodinihin’ireo parlemantera ihany koa ny momba ny volavolan-drijatenin-dalàna manova ny fehezan-dalàna famaizana, mikasika ny sazy omena ireo olona manao habibiana amin’ny fanolanana. Araka ny efa toromarika nomen’ny Filoham-pirenen tokoa mantsy dia mila amafisina ny sazy ho an’ireo olona mahavita fanolanana, indrindra ireo manao izany amin’ny fomba feno habibiana amin’ny zaza latsaky ny 10 taona. Ankoatra ny sazy famonjana dia hisy koa ny sazy fanampiny, dia ny fanalana ny filàna ara-nofo ho an’ireo nahavita heloka, amin’ny alalan’ny « castration chimique » na ny « castration chirurgicale », arakaraky ny vesatry ny 6 heloka vitany. Anisan’ny fanovàna goavana nentin’ny fahefana mpanatanteraka ny hanamafisana ny sazy, ho an’ireo olona mahavita heloka bevava feno habibiana, dia ny fanolanana atao amin’ny zaza latsaky ny 10 taona, ka sazy famonjana mandram-pahafaty miampy « castration chirurgicale » no hampiharina aminy. Eo am-pelan-tanan’ireo parlemantera ny fanapahan-kevitra momba ny fandaniana na tsia an’ity volavolan-drijatenin-dalàna ity.

Tafiditra ao anatin’ny lahadinika hodinihan’ny Parlemanta, ao anatin’ity fotoam-pivoriana tsy ara-potoana ity ihany koa, ny momba ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna lalàna lf-2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014 mikasika ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Lire la suite

Articles Similaires