• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice
Image
Vaovao

ENMG Tsaralalàna : Mpianatra ho Mpitsara 100 mianadahy no vita fiofanana

24/01/2024 18:18 © Moov.Mg

Notanterahina androany teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fianianan’ireo mpianatra ho Mpitsara niofana teo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna.

100 mianadahy izy ireo no nanao fianianana androany 24 janoary 2024, rehefa niofana nandritra ny 24 volana teo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG). Ny 60 tamin’izy ireo dia mpianatra ho Mpitsara ny ady ifanaovan'ny olon-tsotra, ny 20 dia mpianatra ho Mpitsara ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ary ny 20 kosa dia mpianatra ho Mpitsara mikasika ny fitantanana ny volam-panjakana. Araka izany, izy zato mianadahy ireto no ho avin’ny Fitsarana eto Madagasikara.

Fianianana santatra moa no nataon'izy ireo, mialohan'ny handehanan’izy ireo hizatra asa eny anivon'ny sampam-pitsarana manerana an'i Madagasikara, izay vao tena handray ny asa maha-Mpitsara azy. Nitarika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nandraisana ny fianianan’ireto mpianatra Mpitsara vao vita fiofanana ireto, ny Filoha Voalohan'ny Fitsarana Tampony sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana Tampony.

Lire la suite

Articles Similaires