• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fahasalamam-bahoaka : tafakatra 63,5% ny taham-pisitrahana fandrindram-piterahana

24/01/2024 15:29 © Moov.Mg

Tamin’ny taona 2021 ny Fanjakana Malagasy no nametraka tanjona fa hampiakatra ny tahan’ny fampiasana fandrindram-piterahana ho 60%, amin’ny faran’ny taona 2023, raha toa ka amin’ny taona 2030 no nametrahana io fanamby io tany am-boalohany, tao anatin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD). Nahomby ny paikady napetraka.

Maimaim-poana

Efa tafakatra 63,5% izany taham-pampiasan’ny vehivavy Malagasy ny fomba fandrindram-piterahana izany, araka ny nambaran’ny Pr Zely Arivelo Randriamanantany, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, araka ny tatitra azony farany, tamin’ny volana ôktôbra 2023. Araka izany, efa nihoarana ny tanjona ary mbola niasa foana ny mpiasan’ny fahasalamana tao anatin’ny volana novambra sy desambra, noho izany, azo heverina fa mbola mihoatra lavitra aza io taha io, amin’izao fotoana izao. Mbola nametraka fanamby vaovao anefa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ao anatin’izao 100 andro voalohany amin’ny fotoam-piasany izao, dia ny hisitrahan'ny vehivavy miisa 3.220.000 manerana an'i Madagasikara ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tandrify azy. Amin’izao fotoana izao, noho izany, dia maimaim-poana avokoa ireo karazana fomba fanabeazana aizana rehetra misy eny amin’ireo tobim-pahasalamana miankina amin’ny Fanjakana.

Azo isafidianana

Araka ny nambaran’ny Dr Lalie Raharimamonjy, Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia efa manao ny ezaka rehetra ny Ministera, mba samy ho hita manerana ny tobim-pahasalamana daholo ireo karazana fandrindram-piterahana rehetra, mba hahafahan’ny vehivavy misafidy, ka tsy hisy intsony ny fahatapahan’ny famatsiana. Asa isan’ny hotanterahina ihany koa, ny hanova ireo vehivavy vao sambany mampiasa ny fomba fanabeazana aizana, ho lasa mpampiasa maharitra. Amin’izay dia ho tratra ilay tanjona 3 tapitrisa mahery, amin’ny faran’ny volana aprily, izay fotoana hahataperan’ny 100 andro voalohan’ny filoham-pirenena. Nambaran’ny Minisitra moa fa ny fiaraha-miasan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra no efa nahatrarana ilay tanjona mihoatra ny 60% ary ezahina hampiakarina hatrany izany vokatra efa azo izany.

Lire la suite

Articles Similaires