• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fambolen-kazo : Velaran-tany 75.000 ha no kendrena horakofana amin’ity taona ity

24/01/2024 12:21 © Moov.Mg

Hotanterahina amin’ny zoma 26 janoary izao ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024, manerana an’i Madagasikara, eny amin’ny tanàna vaovao Tanà-Masoandro Imerintsiatosika. Tomponandraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana izany ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD).

Fiaraha-mientan’ny rehetra

75.000 ha no velaran-tany kendrena hovolena amin’ity taona 2024 ity eto Madagasikara, araka ny fanazavan-dRazafindrabe Rinah, tale jeneralin’ny fitantanana ny tontolo iainana eo anivon’ny MEDD. Zanakazo 300 tapitrisa kosa no efa omanina hovolena, ka tafiditra ao anatin’izany ny hazo an-tanety sy ny honko. Fanokafana ôfisialy ihany no hotanterahina amin’ny zoma eny Imerintsiatosika, fa ny olon-drehetra tsy an-kanavaka mihitsy no entanina hamboly hazo, any amin’ny toerana misy azy avy sy amin’ny fotoana mampety azy, hoy hatrany ny fanazavana. Afaka manome zanakazo ho an’ny olom-pirenena maniry izany rahateo ny MEDD, avy amin’ny tanin-janakazo midadasika izay misy isaky ny renivohi-paritra, na ireo tanin-janakazon’ny kaominina sy an’ireo vondron’olona ifotony. Ny fiaraha-mientan’ny rehetra mantsy no ahafahana mahatratra io tanjona kendrena ho an’ny taona 2024 io.

Tanin-janakazo midadasika

Efa amam-bolana maro ny MEDD no nanomana ireo zana-kazo hovolena, araka ny nambaran’ny talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy eto Analamanga, Lovanirina Vololoniaina. Misy tetiandro arahina mantsy, araka ny fanazavany, toy ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pamindrana. Tahaka izany koa ny fifehezana ny rano hanondrahana azy ireo. Manana zanakazo miisa 1 tapitrisa eo ho eo ny tanin-janakazo midadasiky ny Faritra Analamanga, izay azon’ny olona rehetra angalana zanakazo hovolena. Misy kosa anefa ny fepetra arahina, dia ny fanaovana fangatahana, izay ahitana fanomezana antoka momba ny fiarovana ireo zanakazo, mba tsy ho fatifaty foana. Misy ihany koa ny pitsopitsony miaraka amin’izany, dia ny fisian’ny tanim-pambolena efa vonona, efa voaasa, misy lavaka, milamina ka azo arovana tsara ireo zanakazo novolena mba hitombo.

Fambolen-kazo manarina tontolo, manatsara famokarana ary mamela lova ho an’ny taranaka no lohahevitry ny fambolen-kazo amin’ity taona ity. Isan’ny tanjona kendrena ao anatin’izany ny hananana tanàna madio sy tanàna lovain-jafy, hoy ny tale jeneralin’ny fitantanana ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires