• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina.Jpg
Image
Vaovao

Governemanta vaovao : Minisitra 27 isa no mandrafitra azy

14/01/2024 20:21 © Moov.Mg

Notanterahina androany hariva, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny anaran’ireo Minisitra handrafitra ny Governemanta voalohany ao anatin’ny fotoam-pitondrana faharoan’i Andry Rajoelina, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Ireto avy ny anaran’izy ireo :

-Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola : Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo
-Ministeran’ny Fitsarana sady mpitana ny Fitombokasem-panjakana : Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana
-Minisitry ny atitany : Tokely Justin
-Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra : Razafindravahy Edgard
-Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka : Randriamanantany Zely Arivelo
-Minisitry ny Raharaham-bahiny : Rasata Rafaravavitafika
-Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina : Andriamananoro Augustin
-Minisitry ny Foloalindahy : General de division Sahivelo Lala Monja Delphin
-Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany : Andriantsitohaina Naina
-Minisitry ny Filaminam-bahoaka : Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala
-Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana : Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin
-Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa : Dr Razafiarison Andriamanantena
-Minisitry ny Fanabeazam-pirenena: Dr Marie Michelle Sahondrarimalala
-Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak’asa : Rakotondrazafy Lalatiana
-Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina : Fomendraza Haingo Elisette
-Minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana : Randriamandranto Joël
-Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra : Razafindramalo Tahina Michel
-Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo : Jean-Baptiste Olivier
-Minisitry ny Asa vaventy : Colonel Andrianatrehina Ndriamihaja Livah
-Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro : Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald
-Minisitry ny Asa, ny Fampananan'Asa ary ny Asampanjakana : Razakaboana Hanitra Fitiavana
-Minisitry ny Rano, ny Fahadiovana sy ny Fidiovana : Ravokatra Fidiniavo
-Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga : Mahatante Tsimanaoraty Paubert
-Minisitry ny Harena an-kibon'ny Tany : Rakotomalala Herindrainy Olivier

-Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : Resampa André Haja
-Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy : Fontaine Max
-Minisitra Delege Misahana ny Zandarimariam-pirenena : Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy


Copyright Image : © PRM

Nandalo fitsapam-pahaizana

Araka ny fampitam-baovao dia nisy kabinetra manokana nandray ireo antontan-taratasy (CV) maherin’ny 500 isa voaray. Io kabinetra manokana io no nikirakira ny antontan-taratasy, nanatanteraka ny fihainoana ireo kandidà ho minisitra sy nampanao ny adina am-bava sy an-tsoratra azy ireo.
Taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny anaran’izy ireo androany dia samy niroso tamin’ny fianianana izy ireo, araka ny efa nambaran’ny filoha Andry Rajoelina, tamin’ny fotoana nanendrena ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mbola hisy fanendrena Sekreteram-panjakana miisa 10 ihany koa, amin’ny fotoana manaraka, araka ny fantatra. Taorian’ny lanonana moa dia niatrika avy hatrany ny filàn-kevitry ny minisitra ireto mpikambana vaovaon’ny Governemanta ireto.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires