• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fanaterana ny voka-pifidianana : Tsy misy olana goavana hatreto, hoy ny CENI

17/11/2023 18:17 © Moov.Mg

Mizotra tsy misy olana goavana hatreto ny fiakaran’ireo voka-pifidianana avy eny amin’ny biraom-pifidianana mankeny amin’ny sampana mpanisa vato eny anivon’ny distrika (SRMV). Efa nisy ihany koa ny lamina napetraka hanamarinana ny voka-pifidianana, araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny CENI.

Mandalo SRMV aloha

Fomba roa no azon’ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana sy ny filoham-pokontany entina manatitra ny voka-pifidianana eny anivon’ny SRMV, araka ny fanazavana nomen’ny mpampaka-tenin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI), Soava Andriamarotafika. Raha manakaiky ny renivohitry ny distrika no misy ny SRMV, dia azon’izy ireo aterina mivantana an-tanana izany. Raha lavitra kosa, dia misy ny toerana sy fotoana efa ifanomezana (point de ralliement) ka andraisan’ny iraky ny SRMV ny kojakoja rehetra nilaina nanatanterahana ny fifidianana. Amin’ny ankapobeny dia nilamina tsara ny fandraisana ny antontan-taratasy rehetra momba ny voka-pifidianana. Ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, ho an’ireo namonjy ny “point de ralliement” no somary nananosarotra kely, hoy hatrany i Soava Andriamarotafika, saingy efa nisy kosa ny ny fandaminana ankapobeny, izay niainga avy any amin’ny CENI.

Dingana fanamarinana efatra

Manana 5 andro eo ho eo ny SRMV hanaterana ireo voka-pifidianana eny anivon’ny CENI. Efa tonga tsikelikely eny anivon’ity farany moa izany, ary izay tonga dia efa kirakiraina, hoy ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny CENI. Mandalo dingana fanamarinana miisa 4, fara-fahakeliny ny voka-pifidianana, araka ny fanazavany hatrany, vao tonga amin’ny famoaham-bokatra vonjimaika. Vao miainga avy any biraom-pifidianana dia efa alaina sary ny firaketana an-tsoratra (PV). Alefa amin’ny alalan’ny “tablette” ireo vokatra avy eo, ka tsy maintsy ampitahaina amin’ilay sary izay voarakitra ao anaty “tablette” bny fitoviany. Ireo antontan-kevitra ireo no entina mamoaka ny fironam-bokatra. Ny ao amin’ny SRMV indray avy eo no mandefa ny “scanner” an’ny PV, rehefa avy manisa ireo kojakojam-pifidianana rehetra sy manamarina raha voahaja tsara ny famenoana ny fitanana an-tsoratra tany amin’ny biraom-pifidianana.

Antontan-kevitra mitovy

Rehefa voaatitry ny SRMV eny anivon’ny CENI ny firaketana an-tsoratra, izay taratasy nofenoina nandritra ny fotoam-pandatsaham-bato, dia mbola ampitahaina amin’ireo teo aloha, ary tsy tokony hisy fahasamihafana mihitsy ireo antontan-kevitra miisa 4 momba ny voka-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato. Afaka 3 na 4 andro aty aorian’ny fahatongavan’ny voka-pifidianana farany eny anivon’ny CENI no hamoahan’ity rafitra ity ny vokatra vonjimaika, raha ny nambaran’ny mpampaka-teniny. Anjaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana kosa no mamoaka ny vokatra ofisialy, aorian’izany.

Lire la suite

Articles Similaires