• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 28 aogositra hatramin’ny 3 septambra

04/09/2023 14:57 © Moov.Mg

Niompana bebe kokoa tamin’ny Lalaon’ny Nosy sy ny firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena an’ireo kandidà ireo vaovao nisongadina nandritra iny herinandro iny. Tsy azo adinoina nefa ny lalaon’ny Nosy izay tena nanamarika ny herinandro. Eo ihany koa ireo vaovao samihafa na ara-tsosialy na ara-toe-karena.

Hiragasy : Ny fahalasanan’i Rapetit

Nodimandry ny Alahady 27 Aogositra 2023 i Rasamimanana Rochel, na i Rapetit. Filohan’ny Fikambananan’ny Mpihiragasy eto Madagasikara (FMGM) ary efa nitondra ny tarika Sahondrafinina ihany koa. Anisan’ireo nitondra avo ny hiragasy ny tenany ary vao tsy ela fa ny faran’ny volana Jolay teo no notolorana ny fanalahidin’ny Kianjan’ny Hiragasy etsy Anosy. Nandritra ny lanonana fahatsiarovana an’i Rasamimanana Rochel ny Alarobia 30 Aogositra teo no nilazan’ny ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, fa misalotra ny anaran’i Ratompokolahy ny kianjan’ny Hiragasy manomboka izao. Nampiakarina teo amin’ny laharam-boninahitra « commandeur de l’Ordre Natioanl » ihany koa izy nandritra izany lanonana izany.

Andry Rajoelina : Navadika ho mozea ny trano fonenany fahiny

Anisan’ny vaovao nahavariana ny maro nandritra iny herinandro iny ihany koa ny fitokanana ny Mozea 409 D tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Miavaka kely amin’ny mahazatra ity Mozea ity satria trano fonenan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fony fahakeliny. Hita ao anatin’io tranom-bakoka io ireo sary mirakitra ny fahazazan’ny filoha. Nezahana nalahatra hitovy tanteraka tamin’ny endriky ny tranon’ny filoha sy ny fianakaviany tamin’izany fotoana io tranom-bakoka io.

Firotsahan-ko fidiana : Kandidà miisa 10 no efa tonga teny amin’ny HCC

Ny Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, no nanokatra ny fanaterana ny antontan-taratasy firotashan-kofidiana ho filoham-pirenena teny anivon’ny HCC ny 24 Aogositra teo. Nanaraka azy i Annick Ratsiraka, izay filoha nasionalin’ny antoko AREMA ankehitriny. Somary nangingina ny fahatongavana teny amin’ny HCC Ambohidahy nandritra ny herinandro voalohany nisokafan’ny fanaterana ireo antontan-taratasy. Hita nirohotra kosa ireo kandida nanomboka tamin’ny fiandohan’ity volana septambra ity. Anisan’izany i Jean Brunelle Razafitsiandraofa, Masy Goulamaly sy Julia Rasolofonoroniaina. I Siteny Randrianasoloniaiko ihany koa dia efa nametraka ny « dossiers », ny sabotsy 2 septambra lasa teo.

Korontana teny Ankatso : Miantso ny fitoniana ny ministera

Herinandro maromaro izay no niroso tamin’ny fitokonana ireo mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, ary nampitsahatra ny fampianarana. Mitaky hatrany ny hanefana ny tambin-karamany nanomboka tamin’ny taona 2018 izy ireo. Tetsy andaniny dia nidina an-dàlambe ihany koa ireo mpianatra, ary nitaky ny hiverenan’ny fampianarana sy ny fampiakarana 100% ny vatsim-pianaran’izy ireo. Nisy ny savorovoro sy ny fisamborana nandritra izany. Manoloana ny korontana dia namoaka fanambarana ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Miantso ireo mpampianatra sy mpianatra ho tony ny ministera, ary nanameloka ny karazana herisetra natao tamin’ireo mpianatra sasany ihany koa. Efa an-dàlam-pamahana ny olana ny ministera, araka ny fanambarana hatrany, ary mangataka ny mpampianatra hamerina ny fampianarana, ho tombotsoan’ireo tanora hoavin’ny firenena.

IRD : Mitaky ny firotsahan’i Andry Rajoelina ireo mpanara-dia azy

Solombavambahoaka miisa 111 sy loholon’i Madagasikara miisa 16 androany no nanao fanambarana miaraka, mangataka ny firotsahan’ny filoha Andry Rajoelina indray mba hofidiana ho Filoham-pirenena, ny zoma 1 septambra lasa teo, teny amin'ny foiben'ny antoko Tanora Gasy Vonona (TGV) Arena Ivandry. Araka ny fanambaran’ireto parlemantera mivondrona ao amin’ny IRD ireto dia manohana tsy misy fepetra ny filoha ankehitriny izy ireo ary mangataka azy mba hirotsaka indray, ho fanohizana ireo asa maro be efa vita sy ireo mbola hatao, ho fampandrosoana an'i Madagasikara.

Fifidianana : Misy ireo mangataka fanampiana

Vinam-piaraha-monina iraisan’ny ankamaroan'ireo nanambara ny filatsahany hofidiana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ho avy io ny momba ny fanabeazana. Isan’izany i Claude RAHAROVOATRA, izay kasain'ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA) harotsaka ho kandida. Tsy manana ny ho enti-manana handoavana ny anto-bola 200 tapitrisa Ariary, izay takiana amin’ireo kandida anefa izy, ka manao antso avo amin’ireo mpampianatra mba hanome tsipaipaika 10 000Ar avy. Isan'ny nangataka fanampiana tamin'ny Malagasy mpifidy ihany koa ny antoko Tambaben’ny Olompirenena Nampiraisin’ny Andraikitra (RCR), tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison, ka nanokatra laharan-tariby ahafahana manao fitia tsy mba hetra, ho enti-manolotra kandida.

Fihaonamben’ny FFKM : Vonona hitarika ny fifampidinihana ny fiangonana

Notanterahana ny 29 aogositra hatramin'ny 1 septambra lasa teo, teny amin’ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy, ny Fihaonamben’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), natrehin'ireo mpanao politika avy amin'ny ankolafy isan-karazany. Lohahevitra nifantohan'ny fihaonana ny hoe : "Fiangonana manorina sy mamboly eto amin'ny Firenena". Tanjona ny hanomezana aina vaovao indray ny fiainana ny firaisam-pinoana, izay antony ijoroan’ny FFKM sy ny hametrahana amin’ny toerany indray ny andrimaso FFKM. Nandritra ny tatitra taorian'ity fihaonambe ity no nanambaran'ny Pasitera Ammi Irako Andriamahazosoa, fa vonona ny FFKM ny hitarika ny dinika sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy malagasy, indrindra ny samy mpanao politika, ho famahana ny olana misy eto amin’ny firenena.

Lalaon’ny Nosy : i Madagasikara no nandrombaka medaly volamena betsaka indrindra

Medaly 272 isa no azon’i Madagasikara nanditra ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. 121 ny medaly volamena, 71 kosa ny volafotsy ary 80 ny alimo. Isan’ny taranja nahazoan’ny atleta malagasy medaly betsaka indrindra ny fibatana fonjamby : medaly volamena 34, volafotsy 11 ary alimo 10. Teo ihany koa ny taranja atletisma, taekwondo, karate, izay samy nahazoan’i Madagasikara ny laharana voalohany avokoa. Ho an’ny atletisma dia niisa 40 ny medaly norombahan’ny Malagasy. Samy nahazo medaly volamena 13 avy kosa ireo atleta, teo amin’ny taekwondo sy ny karate. Eo amin’ny laharana faharoa moa no misy an’i Maorisy ary fahatelo i La Réunion.

Manara-maso akaiky ireo halatra jiro sy rano ny Jirama

Miteraka olana ho an’ny orinasa Jirama ny fangalarana jiro sy rano ataon’ny mpanjifa sasany, satria dia vola 100 miliara ariary isan-taona no very vokatr’izany. Tapaka fa hanamafy ny fanaraha-maso ity orinasam-panjakana ity, ka amin’ny alàlan’ny Task Force no hanatanterahan’izy ireo izany hetsika fiadiana amin’ny halatra jiro sy jano izany. Misy, araka izany, ny fidinana ifotony izay ataon’ireo ekipa teknikan’ny Jirama. Misy ny fitsirihana ireo tokatrano izy ireo hijerena raha manara-dàlana ny fampiasan’izy ireo ny jiro sy rano na tsia. Efa nisy ny tratra, toy ny tao Ambinankely, Taolagnaro. Iray hafa ihany koa no tratra tao Ankazobe.

Teny Malagasy : Namoaka Rakibolana ny Minisiteran’ny Toekarena

Nivoaka ny rakibolana ara-ekonomika Namoaka Rakibolana mirakitra ireo teny ara-ekonomika sy ara-toekarena fampiasa ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola androany 28 Aogositra 2023. Mihoatra ny 300 pejy ity rakibolana ity, izay fandikan-teny Frantsay-Malagasy. Tanjona tamin'ny famoahana azy ity ny hanatsarana ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny vahoaka sy ireo mpila raharaha eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Efa azon’ny rehetra jerena ao amin’ny Tranokalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ity rakibolana ity.

Lire la suite

Articles Similaires