• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Alaotra Mangoro – Herinaratra : Anisan’ireo hiisitraka ny tetik’asan’ny LEAD

01/09/2023 19:17 © Moov.Mg

Mitohy hatrany asa fanatsarana ny tolotra mahakasina ny herinaratra izay tanterahan’ny eo anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo amin’ny alàlan’ny Jirama manerana ny Nosy.

Faritra maro no hisitraka

Anisan’ireo faritra tsy very anjara amin’ny tetik’asa LEAD i Alaotra Mangoro. Tetik’asa iarahan’ny fitondram-panjakana miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ary vatsian’i Banky Iraisam-pirenena vola izy ity. Tanjona amin’izany ny hanitarana ireo faritra misitraka herinaratra amin’ny vidiny mirary. Tafiditra ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa ilay hetsika Branchement Mora izay efa nahitana mpisitraka anjatony maro hatreto.
Anisan’ireo hisitraka izany ihany koa i Ambatondrazaka, Tanambe, Manakambahiny, Amparafaravola ary Andilamena. Ny volana desambra hatramin’ny volana may 2024 no vinavinaina haharetan’izany tetik’asa izany, eny anivon’ireo faritra voalaza ireo.

Fanatsarana ny fitsinjarana herinaratra

Fantatra ary fa hitombo ireo tokatrano hisitraka herinaratra avy amin’ny Jirama. Hatsaraina ihany koa ny tambazotra mpitsinjara herinaratra amin’ny alàlan’ity tetik’asa LEAD ity. Andrin-jiro BT (Basse Tension) sy MT (Moyenne Tension) missa 641 no hatsangana mandritra ny fanatanterahana ny tetik’asa, ary vata mpanova herinaratra (Transformateur) miisa 12 ihany koa no hapetaka.
Ankoatra ireo efa voatanisa tetsy ambony dia anisan’ireo faritra hanatanterahana ny tetik’asa ihany koa iny Avaratra Andrefana iny Atsimon’ny Nosy iny. Mponina toa tapitrisa no hahazo tombontsoa amin’izany. Andrin-jiro miisa 34 000 BT sy MT no hamboarina, ary lignes BT sy MT mirefy 1 600 km no hatsangana. Eo ihany koa ny fametrahana ireo vata mpanova herinaratra miisa 650.
Mbola mitohy hatrany ny asa fanatsarana ny fisitrahana ny herinaratra ho an’ny Jirama sy ireo mpiara-miombon’antoka, na dia efa mifaraparana aza ny "mandat"-n'ny fitondrana ankehitriny. Efa nisy fivoarany ihany koa ny resaka fahatapahan-jiro, na dia mbola eo aza ireo fahatapahana tsindraindray vokatr’ireo asa fanamboarana ny simba sy fanoloana ireo foto-drafitrasa efa antitra.

Lire la suite

Articles Similaires