• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Mahajanga : Hamafisina ny fandriampahalemana

01/09/2023 17:29 © Moov.Mg

Ao anatin’ny fitsidihana ny renivohitry ny faritra Boeny ankehitriny ny delegasiona tarihin’ny ministry ny Fiaroavam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa. Ankoatra ireo fihaonana maro samihafa dia tanjona amin’izany fidinana ifotony izany ny fanamafisana ny fandriampahalemana ao Mahajanga.

Lahadinika

Nisy ny lahadinika izay notarihin’ny ministra nandritra ny diany tany Mahajanga. Noresahana manokana tamin’izany ireo toromarika maro samihafa hahafahana manatsara ny sehatry ny fandriampahalemana any an-toerana. Nisy araka izany ny fifampizarana mahakasika ny zava-misy ao Mahajanga sy eny anivon’ireo distrika any amin’iny Faritra iny.
Maro tokoa ireo trangana tsy fandriampahalemana hita manerana ny Nosy tato ho ato. Raha ny tao Mahajanga manokana no resahana dia tao ohatra ireo trangana fanendahana, fisolokiana, fifohana sy fitsindromana zava-mahadomelina.
Manoloana ireo mety ho tsy fandriampahalemana miseho eny anivon’ny fiarahamonina dia nampahatsiahy ny ministra fa zava-dehibe ny fiaraha-misalahy eo amin’ireo hery telo tonta. Resahana amin’izany ireo miantoka ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena, dia tsy iza izany fa ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena, ary ny Tafika Malagasy.

Fifidianana ao anatiny filaminana

Ankoatra ny fanamifasana ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny dia notsindrian’ny ministera manokana ihany koa ny fikarakarana ny fiomanana amin’ny fifidianana izay ho tontosaina ny volana Novambra ho avy izao. Ilaina hoy izy ny fifanomezan-tànana eo amin’ny mpisehatra rehetra, izay antoky ny fametrahana ny fitoniana sy ny filaminana maharitra, hahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny an-kalalahana.
Etsy an-daniny anefa dia maro amin’ireo kandidà hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena no mitaraina manoloana ny faneriterena izay mahazo azy ireo. « Tena miendrika fampihorohoroana mihitsy ny fisiana mpitandro ny filaminana mijoro etsy sy eroa. » hoy i Hery Rajaonarimampianina, filoham-pirenena teo aloha, nitaraina manoloana ny fahasarotana izay atrehan’izy ireo mandritra ny fitetezam-paritra isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires