• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Raobelina - Siteny
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 : Kandida i Andry Raobelina sy i Siteny Randrianasoloniaiko

01/09/2023 05:46 © Moov.Mg

Samy nanatanteraka fanambarana ofisialy ny filatsahany amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023 eto Madagasikara i Andry Raobelina sy i Siteny Randrianasoloniaiko omaly 31 aogositra.

Siteny R. : "Vonona aho aho ary miankina aminao"

Ny faran'ny volana aogositra, araha ny efa nampanantenainy, no nanambaran'i Siteny Randrianasoloniaiko ny filatsahany ho fidiana ho filohan'ny Repoblika. Tany Toliara no nihaonan'ny depiote sady kandida tamin'ireo vahoaka mpanara-dia azy. Horakoraka sy tabataba ny an'ireo mpanotrona raha nilazana fa kandida i Siteny R. Mpanakanto maro moa no nanafana ny lanonana.

Raobelina : "Raisiko ho adidy masina ny hirotsaka"

Nanambara ny fahavononany hanarina ny malagasy izay anaty fahoriana lalina i Andry Raobelina. Vao andro vitsy izay no nanambarany fa tsy mpitantana orinasa intsony ny tenany manomboka eto. Hifantoka amin'ny fampielezan-kevitra sy ny fitantanana ny firenena ny tenany.
"Tsy afaka ny mbola hizaka 5 taona ao anatin'ny fifandroritana politika izay miteraka fihemorana toy izao isika. Fahadisoana lehibe eo anatrehan'ny tantara ny mijanona na miharitra fotsiny", hoy ny tenany.

Famaliana antsom-bahoaka sa fanandratan-tena ?

Na i Siteny Randrianasoloniaiko, na i Andry Raobelina, dia samy nilaza avokoa fa noho ny fitarainan'ny vahoaka no tena nilatsahan'izy ireo ho fidiana ho filoham-pirenena. Izy mirahalahy ireto mantsy dia samy efa nanatanteraka fitsidiham-paritra, nahafahana nihaino ireo fahorian'ny vahoaka. Na eo aza izany, vao nanomboka nanaiky vahoaka ireto roalahy ireto dia efa nieritreritra ny fifidianana. Azo ambara fa fanomanana avokoa ireny, mba ho fantatr'olona maro na dia mbola tsy manomboka akory aza ny propagandy.
Andrasana ny fametrahan'i Andry Raobelina sy i Siteny Randrianasoloniaiko ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana amin'ny fomba ofisialy eny amin'ny HCC Ambohidahy.

Lire la suite

Articles Similaires