• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kayak
Image
Vaovao

Famaranana ny lalaon’ny Nosy : Làlana maro eto an-drenivohitra no ho tapaka

31/08/2023 18:39 © Moov.Mg

Andro vitsivitsy sisa dia hifarana ny lalaon’ny Nosy izay tanterahana eto Madagasikara. Ao anatin’ny fikarakarana izany hatrany dia namoaka fanambarana mahakasika ny fahatapahan-dàlana ny avy eo amin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo.

Hanomboka ho tapaka ny sabotsy ny làlana

Ny sabotsy 02 septambra izao no vinavinaina hanomboka ho tapaka ny làlana amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra. Miankina amin’izany mety ho fivoaran’ny toe-draharaha anefa ny hahatapaka izany na tsia raha io sabotsy io fotsiny no resahana, hoy ny avy eo amin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo.
Amin’ny 05 ora maraina kosa dia efa ho tapaka ny làlana amin’ireto toerana voatondro ireto, ny Alahady 03 Septambra, mandrapahatapitry ny lanonana famaranana ny lalan’ny Nosy :
Ny làlana Mahtma Gandhi (manoloana ny palais de Sport)
Ny làlana Ramanankirahina (Stade Mahamasina)
Ny làlana Rajoelina (Food Koots)
Ny làlana Andriba Mahamasina (Gerb’or)
Ny làlana Rakotobe (manoloana ny kaomisaria boribori-tany faha 5)
Ny làlana Pascal Mahamasina
Ny làlana Dokotera Razafindratandra (Sainte Famille) hihazo an’i Mahamasina
Ny làlana Mohamed V (Tsena CUA Anosy – St Michel)
Ny làlana Arabe Rabozaka (Collège de France)

Fepetra noraisina

Nisy ny fepetra noraisin’ny avy eo amin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra mba hahafahana manaja izany fahatapahana izany. Raisina ihany koa ireto fepetra manaraka ireo mba hahafahana miantoka ny fifamoivoizana na dia eo aza ny fahatapahan-dàlana.
Fantaro ary fa :
Foana avokoa ireo toeram-piantsonan’ny fiara manodidina an’i Mahamasina
Foana ny toeram-piatoana eo Mahamasina sy manoloana ny « kaomisaria an’ny boribori-tany faha-5 ho an’ny zotra rehetra
Ireo fiara avy any Tsimbazaza hihazo an’Analakely na 67ha dia mandray ny làlana Andriamanantena Georges (gendarmerie Fiadanana) ary midina mihazo an’i Soanierana (Ex Descour)
Entanina noho izany ireo mpampiasa làlana mba hanajana ny fandaminana, fa ihany koa handrindra ny fotoanan’izy ireo raha toa ka mivoaka ny trano. Ankoatra ity fandaminana amin’ny lafiny fifamoivoizana ity dia efa misy ihany koa ny fandaminana napetraka amin’ny fidirana ao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, mba hisorohana ny loza mety hiseho mandritra io lanonana famaranana ny andian’ny faha-11 ny lalaon’ny Nosy io.

Lire la suite

Articles Similaires