• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambohimamory Itaosy : Zaza menavava narian-dreniny

29/08/2023 16:48 © Moov.Mg

Zaza menavava indray no nisy nanary androany teny Ambohimamory Itaosy. Napetraky ny reniny tamin’ny ankizivavy kely iray 12 taona ny zanany ka lasa izy ary tsy niverina intsony.

Mody niantsena

Mody nilaza moa ilay renin’ilay zaza menavava io fa andeha hiantsena vetivety, ka niangaviany hitazona ilay zanany ity ankizy vavy 12 taona ity. Tany anefa izy no dify dia tsy hita intsony. Nahita ny zava-misy ireo olona teo amin’ny manodidina ka nanapa-kevitra ny hiantso ny zandarimaria. Ny zandary indray avy eo no nandray fepetra hiantso ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy izay mandray an-tànana ny tranga toa izao.

Fandraisana andraikitra

Ankoatra ny fandraisana andraikitra izay nataon’ny avy eo amin’ny zandarimaria dia nisy ihany koa ireo olon-tsotra niroso tamin’izany. Tao ohatra ireo olona niantso ny zandary vantany vao hita fa hafahafa ny tranga. Tao ihany koa ireo nanome lamba firakotra sy nanolo ny lamba teny ankoditr’ilay zaza menavava. Efa nentina teny anivon’ny mpitsabo ity zaza narian-dreniny ity ary efa nanaovana fizahana ara-pahasalamana. Efa noraisin’ny avy eo amin’ny ministera mpiahy ihany koa ankehitriny ny fikarakarana azy.
Maro tato ato ireo trangam-piaraha-monina mampalahelo toa ity zaza menavava narian-dreniny ity. Vao tsy ela akory izay fa tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no nahitana renim-pianakaviana saika hamono tena niaraka tamin’ny zanany vavy kely tokony ho teo amin’ny 3 na 4 taona teo, tetsy Anosizato Atsinanana. Vokatry ny fahantrana làlina ve no anton’izany ? Tsy fanary anefa ny zanaka na dia izany aza, ary efa misy ny sampandraharaha voakasik’izany eny anivon’ny distrika izay afaka manoro hevitra sy mihaino raha toa ka misy olana ara-tsosialy toa ireo tranga roa ireo.

Lire la suite

Articles Similaires