• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina Prm
Image
Vaovao

Antsirabe – Akademia Miaramila : Lasa mozea ny trano fonenan’i Andry Rajoelina fahiny

28/08/2023 19:19 © Moov.Mg

Navadika ho Mozea ny trano fonenan’ny Filoha Andry Rajoelina fahiny tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe.

Nihazo an’Antsirabe ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady androany. Anisan’ny aton-dian’izy ireo tamin’izany ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo miaramila mitondra ny anarana Amiral Didier Ratsiraka.
Nisy anefa ny « surprise » izay natao ho an’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fahatongavany tany an-toerana io maraina io.

Mozea mirakitra ny tantaran’ny filoha Andry Rajoelina

Nanamarika manokana ny dian’i Andry Rajoelina tany Antsirabe ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Mozea 409 D tao amin’ny akademia Miaramila. Ity farany moa dia tsy inona fa ny trano fonenan’ny filoha fony izy mbola zaza.
Navadika ho mozea, araka izany ity toerana izay nahalehibe an’i Andry Rajoelina ity. Hita ao anatin’io mozea vaovao io ireo sary mirakitra ny fahazazan’ny filoha. Hita ao ihany koa ireo fanaka izay nezahana nalahatra hitovy tanteraka tamin’ny pozipozin’ny tranon’ny filoha sy fianakaviany tamin’izany fotoana. « Mirakitra tantara maro ity trano ity. Teto no toerana nahalehibe ahy. » hoy ny filoha namentsoventso. Tao amin’io toerana io tokoa manko izy no teraka. Feno telo taona ny tenany vao nifindra taty Antananarivo ny fianakaviany, satria « affecté » tao amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ny rainy.

Fanokanana makotrokotroka

Tonga nanotrona ity fanokanana ity mozea vaovao ity niaraka tamin’ny filoha mivady ireo mpikambana sasan-tsasany ao amin’ny governemanta. Anisan’izany ny ministry ny Kolotsaina sy ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy sy ny ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Josoa Rakotoarijaona. Misoratra eo amin’ny takela-bato moa ny anaran’ireto farany miaraka amin’ny anaran’ny filoha izay nanokana tamin’ny fomba ofisialy izao mozea izao.

Nitombo iray indray ankehitriny ny vakoka malagasy. Ity farany kosa dia miavaka kely amin’ny mahazatra satria mirakitra ny fiainan’i Andry Rajoelina fahiny.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires