• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Hiragasy : Nindaosin’ny fahafatesana i « Ra-petit »

28/08/2023 13:37 © Moov.Mg

Nindaosin’ny fahafatesana tampoka, ny harivan’ny alahady 27 aogositra 2023, Rasamimanana Rochel. « Ra-petit » ihany koa no ahafantaran’ny maro azy eo amin’ny sehatry ny hiragasy.

Filohan'ny Fikambananan'ny Mpihiragasy eto Madagasikara (F.M.G.M) i Rasamimanana Rochel. Vao ny faramparan’ny volana jolay lasa teo no natolotra azy ny lakilen’ny « Kianjan’ny Hiragasy » eo Anosy, izay vao notokanana.

Tao amin’ny tarika « Ramilison Andohavary » no niandohan’ny talentan-dRasamimanana Rochel tamin'ny taona 1969. Ity farany, izay azo lazaina ho mpamorona ny hiragasy maoderina, no namolavola azy ary nanome azy io anaram-bositra zary lasa anaran-tsehatra nentiny io. Ny taona 1980 kosa Rasamimanana Rochel no niditra tao amin'ny tarika "Sahondrafinina Zanany". Nanomboka namorona hira ho an'io tarika io izy ny taona 1982 ary lasa filohan’ity tarika mpihira gasy ity mihitsy, hatramin’izao fotoana nahafatesany zao. Nanana ny toerany tokoa, teo amin’ny sehary ny hiragasy, i « Ra-petit », satria sady hainy ny nihira, no hainy ny nandihy ary talentany ihany koa ny hatsikana. Isan’ireo niady mafy hatrany izy mba hanomezana ho an’ny hiragasy ny toerana sahaza azy, ny hamerenana ny hasin’izany zavakanto izany sy mba hisitrahan’ireo mpihiragasy ny zony. Isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny fametrahana ny Kianjan’ny Hiragasy moa « Ra-petit » ary tokony ho niandraikitra ny fitantana ity kianja ity.

Araka ny fantatra dia tany ampanaovana fampisehoana tany Amoron'i Mania ny tarika no tratran’ny aretina tampoka Rasamimanana Rochel, ary izao nitarika ny fahafatesany izao. Izy no lasa fa ny asa nataony ho an’ny sehatry ny hiragasy, tao anatin’izay 20 taona nitantanany ny F.M.G.M izay, dia holovain’ireo mpiangaly ity zavakanto ity.

Lire la suite

Articles Similaires