• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Andravoahangy : Vehivavy roa samy voaendaka tao anaty taxi-be

28/08/2023 09:30 © Midi Madagasikara

Manjaka tanteraka ny fanendahana anaty taxi-be eto an-drenivohitra. Ny zoma teo, renim-pianakaviana avy naka vola tamin’ny banky no voaendaka tao anaty taxi-be teo anelanelan’Andravoahangy sy Ankorondrano.

Lasa tamin’izany ny poketra nisy ny vola mitetina 700.000 ar niaraka tamin’ny karatra banky, kara-panondro sy taratasy maro. Araka ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana dia narahan’ireo olon-dratsy izy raha vao niala teo amin’ny banky. « Narahany hatrao anaty taxi-be ka rehefa tao anatiny vao nalainy ny poketra taty amiko. Tao anatin’ny fotoana fohy izany rehetra izany. Efa lasa ireo vao tonga saina sady nivarahon-tsana », hoy ny fitantarany. Tranga hafa ny herinandro teo ihany, no nitranga ity asa fanendahana ity. Mpianatra iray no nandray taxi-be teny amin’ny Mausolée, nandalo teny Ambodivona. Araka ny fitantarany, raha vao niakatra ny bus izy dia nisy lehilahy efatra teo niaraka niakatra taminy , nanaraka avy tao aoriany ry zareo. Naka toerana taty aoriandriana ity lasibatra ity ary naka sisiny mahazo ny varavarankelin’ilay fiara fitateram-bahoaka. Mody nampiresaka ireo ary nanambana antsy teo am-balahana ny iray.

« Raha mihetsiketsika eo ndry dia trobarako an’ity antsy ity, araho moramora izay lazaiko », hoy ilay jiolahy. Natahotra moa ilay tovovavy ka annaraka izay nolazainy. Nasain’ireo olon-dratsy nidina izy ary tamin’izany no nakany ny findainy. Ny ankotra izay dia kahie ka tsy nalain’ny jiolahy. Tsy nisy azon’ity tovovavy natao nanoloana izany. Fantatra fa efa nampandre ny mpitandro filaminana ilay renim-pianakaviana sy ilay tovovavy amin’ny fananany very. Toe-javatra mahazo vahana eto an-drenivohitra ity asa fanendahana anaty fiara ity. Maro ny efa lasibatra sy mitaraina. Manao hetsika ny mpitandro filaminana, maro ny tratra saingy ny eo mipongatra ihany.

Efa ho isaky ny toerana be olona, ahitana trangana fanendahana sy asan-jiolahy hatrany. Ankoatra izany, mahasahy mamono ireo olon-dratsy, tsy sahy mamaly ny olona ka manao izay danin’ny kibony ry zalahy. Raha ireo vahiny maro eto amitsika madritra izao lalaon’ny Nosy izao no sendra ireo jiolahy, hanao ahoana re? Efa marobe ireo polisy miasa aloha eto an-drenivohitra ka antenaina fa mba ho tratra ireo olon-dratsy mampitondra faisina ny olona.

Lire la suite

Articles Similaires