• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 21 hatramin’ny 27 aogositra 2023

28/08/2023 05:37 © Moov.Mg

Zaraina aminao ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nitazona ny sain’ny mpanara-baovao maro ny fitokonan'ny mpianatra Ankatso sy ny fifanosehana izay niteraka loza nandritra ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy. Tsy adino ny vaovao mikasika ny fifidianana.

Fifidianana : I Marc Ravalomanana no kandida voalohany nisoratra anarana

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 23 Aogositra lasa teo ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahana no filoham-pirenena. Tsy nahitana kandida anefa teny an-toerana ka nangina tanteraka ny lapan’Ambohidahy tamin’io andro io.

Nanokatra ny fisoratana anarana ny alakamisy 24 Aogositra, izany hoe ny andro faharoa, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Izy noho izany no kandida tonga voalohany nametraka ireo antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenenana niaraka tamin’ny taratasy fanamarinana ny nandoavana ny lelavola 200 tapitrisa ariary. Anisan’ireo efa tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin’ny Fitsarana avo ihany koa i Annick Ratsiraka.


Copyright Image : © Arphine Helisoa

Hery Rajaonarimampianina : Kandida amin’ny fifidianana

Tapaka ny hevitry ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina fa hanambara vaovao lehibe mikasika ny fifidianana. Tamin’ny sabotsy 26 aogositra lasa teo, nandritra ny kaongresy nasionalin’ny HVM, no nitenenany imasom-bahoaka fa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena indray ny tenany amin’ity taona 2023 ity. Andrasana ny fametrahany ny antontan-taratasiny eny amin’ny HCC Ambohidahy.


Copyright Image : © HR2023

Oniversiten’Antananarivo : Nidian’ireo mpampianatra ny vavahadin’Ankatso

Mitohy ny fitokonana ho an'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, ary nohamafisina ary izany. Niroso tamin’ny fanidiana ny vavahadin’ny Oniversiten’Ankatso izy ireo ny alatsinainy 21 Aogositra lasa teo. Anton’izao fahapahan-kevitra izao hoy izy ireo ny tsy mbola namaliana ny fangatahan’izy ireo.
Mitsahatra ihany koa ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Ny 99%-n’ny mpampianatra, izay mpikambana ao anatin’ny Sendikan’ny Mpampianatra mantsy no mitokona ary nampitsahanatra ny fampianarana. 1%-n’ny mpampianatra sisa no manohy ny asany. Ahiana mafy ny hisian’ny taona fotsy ho an’ireo mpianatra araka izany.


Copyright Image : © SECES

Fitokonan’ny mpianatra Ankatso : Mpianatra valo no voasamboatra. Nahato ny fitokonana

Taorian’ny fanamafisan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny fitokonana izay nataon’izy ireo dia niroso tamin’ny fitokonana ihany koa ireo mpianatra. Tapaka nandritra ny fivoriana teo amin’ireo filohan’ny mpianatra sivy eny amin’ny anjery manontolo izany.
Ny alakamisy 24 Aogositra teo ary no nidina an-dalambe ireo mpianatra. Nisy ny fifampihantsiana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana. Tao ny fifampitorahana vato sy gaz lacrymogène. Mpianatra miisa valo no voasamboatra, ary nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny fitokonana ireo mpianatra tao aorian’izany.
Takian’izy ireo amin’izao fitokonana izaony ny hiverenan’ny fampianarana, fa ihany koa ny ampitomboana 100% ny vatsim-pianaran’izy ireo. Efa fito taona lasa tokoa mantsy no nisy fiakarany farany izany, ary 10% fotsiny izany. Notsindrian’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana misy ankehitriny intsony izany.


Copyright Image : © IBC

Niu Raza : Mandalo eto Madagasikara

Tazana teny an-tsehatra tato ho ato i Niu Raza, mpanakanto malagasy monina any Etazonia. Tonga teto Madagasikara tamin’ny herinandro lasa teo ny tenany. Nanafana ny fanokafana ny Village Touristique Voara Andohatapenaka sy ny Volet Jeunesse Lalaon’ny Nosy moa ny tenany. Tsy adino ihany koa fa hanatanteraka seho miavaka vitsivitsy eto Antananarivo i Niu Raza amin’ny fiandohan’ny volana septambra. Hanolotra ny kanto any Toamasina ihany koa ny tenany.


Copyright Image : © Niu Raza

JIOI 2023 - Sakoroka teny Mahamasina : Mahery ny 80 no naratra 12 no namoy ny ainy

Vao mangiran-dratsy dia efa maro ireo tonga nirohotra nilahatra teny amin’ny vavahadin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina hijery ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy amin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo. Tomefy olona teny Mahamasina ary efa tsindrin-daona hihanoka ny seho ny rehetra. Taorian’ny asa fanitarana izay natao tokoa manko dia afaka mandray olona manodidina ny 10 000 ny kianjan’ny Barea.
Raikitra anefa ny fifanosehana teo amin’ny fidirana ny vavahady iray ka niteraka ny loza. Olona am-polony maro no voahitsaka tao. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny hopitaly CHUJRA Ampefiloha izy ireo. Olona 80 no naratra tamin’izany, ary 13 kosa no namoy ny ainy. Tonga nitondra ny teny fampiononana ho an’ireo havan’ny namoy ny aina sy nankahery ireo naratra ny Praiministra lehiben’ny governemanta sy ireo minisitra sasan-tsasany. Nisy ihany koa ny iray minitra fahanginana ho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy. Araka ny fampitam-baovao nataon’ny Talen’ny hopitaly CHUJRA ny Sabotsy alina dia 29 no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CHUJRA, ka ny 11 amin’ireo no mila fanarahamaso akaiky, 56 kosa ireo naratra efa sitrana ka nalefa nody.


Copyright Image : © Léonie R

Tetsy ankilany kosa, nizotra tsara ny lanonam-panokafana. Seho miavaka no nasehon’ireo mpanakanto sy mpandray anjara aman’aliny, mba tsy hanadinoana ny fandraisan’i Madagasikara fanintelony ny Jeux des îles. Nahavariana ny maro ireo "choregraphies" sy ireo fampisehoana natao tamin'ny alalan'ny jiro.


Copyright Image : © MJS

JIOI 2023 - Fandresena : Mitarika vonjimaika i Madagasikara

Miisa 43 ny medaly volamena azon'i Madagasikara tao anatin'ny roa andro. I La Réunion no mitana ny laharana faharoa, amin'ny alalan'ny medaly volamena miisa 27. Mbola mikasika ny "Sports individuels" nefa no tena nahazoana ireo medaly ireo. Tsy adino fa nandresy hatrany i Madagasikara na teo amin'ny basket, na foot, na handball. Azo antenaina tsara araka izany ny hibatan'i Madagasikara ny laharana voalohany amin'ny faran'ity Lalaon'ny Nosy 2023 ity.


Copyright Image : © FB

JIOI 2023 - Fitanterana : Miasa hatramin’ny 09 ora alina ireo fiara fitateram-bahoaka

Hisy hatramin’ny 09 ora alina ireo fiara fitateram-bahoaka mandritra izao Lalaon’ny Nosy izao, araka ny filazana nataon’ny ministeran’ny Fitateram-bahoaka sy ny Famantarana ny toetrandro ny 24 Aogositra lasa teo. Nanomboka ny Zoma lasa teo, ka hatramin’ny Alahady 03 septambra ho avy izao, araka izany dia hitatitra ireo olona taraiky fodiana ireo fiara fitateram-bahoaka.
Manomboka amin’ny 07 ora alina dia malalaka ny zotra andehanan’ireo fiara fitateram-bahoaka, na ho an’ny zotra an-drenivohitra izany na ho an’ny zotra ivelan’ny renivohitra. Tanjona amin’izany fanapahan-kevitra izany ny hanamorana ny fodian’ny olona, fa ihany koa mba ho fiarovana azy ireo.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires