• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hr2023
Image
Vaovao

Hery Rajaonarimampianina : Kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023

27/08/2023 07:22 © Moov.Mg

Nambaran'i Hery Rajaonarimampianina omaly 26 aogositra fa kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023 ny tenany. Nandritra ny famaranana ny kaongresy nasionalin'ny antoko politika HVM teny Andraharo moa no nanatanterahany izany fanambarana izany.

Ela ny ela, nanao fanambarana mikasika ny fifidianana ihany i Hery Rajaonarimampianina. Tsy mbola nanambara mazava izay tena tanjony mantsy ny tenany teo aloha, na dia nanatanteraka fitsidiham-paritra misimisy ihany aza.
"Henoko ny antsoantsonao ry malagasy. Henoko ny fangatahanareo malagasy. Latsaka an-katerena ary mila fanavotana ny Firenena. Izany no hijoroako androany ary hanambarako amin'ny fomba ofisialy ny maha-kandida ahy amin'ny fifidianana filoham-pirenena", hoy ny tenany.
Mbola tsy fantatra mazava kosa ny fotoana hametrahany ny antontan-taratasy filatsahany ho fidiana eny amin'ny HCC Ambohidahy.

Fisandratana

Ny fandaharan'asa "Fisandratana" no ho ampiharin'i Hery Rajaonarimampianina raha tafaverina eo amin'ny fitondrana indray ny tenany. Tohin'ny programan'asa fony izy teo amin'ny fitondrana izy io, saingy asiana fanatsarana sy fanovana mifandraika amin'ny tranga misy ankehitriny. Nomarihiny fa noraisiny avokoa ireo fitarainan'ireo vahoaka tany amin'ny faritra rehetra nolalovany tato ho ato.
"Mitondra Hery mahery vaika ho ahy ny fijoroanao vahoaka eo anilako. Vonona sy sahy isika hitondra an'i Madagasikara any amin'ny tena Fisandratany. Izaho sy ianao Vahoaka mifanome tanana ihany no afaka mitondra fanovana sy fiovana ilain'ny firenena", hoy ny tenany tao amin'ny pejiny.

Lire la suite

Articles Similaires